FANAMBARANA – Fanadinam-panjakana – Mpampianatra mpanabe – Tsy mandray anjara – Mitohy ny tolona

Izahay mpampianatra mpanabe rehetra avy amin’ny Faritra 22 mbola manohy ny fitakiana dia manao izao fanambarana izao:

  1. Tsy nahafa-po anay, ary tsy nifanarahana ny vahaolana naroson’ny Fanjakana mikasika izay nataonay nandritry ny telo volana mahery;
  2. Hitanay fa tsy nifanaraka amin’ny fahalalàna sahaza hoenti-miatrika ny fanadinana ny fahalalàna azon’ireo ankizy amin’ny sekolim-panjakana noho ny fahatapahan’ny fianarana nandritry ny telo volana mahery;
  3. Hitanay fa atao amboletra ny fanatontosana ny fanadinam-panjakana ary notsinontsinoavina ny fangatahan’ireo mpianatra any amin’ny sekolim-panjakana maniry ny hanemorana ny datim-panadinana hisorohana ny elanelana eo amin’izy ireo sy ny mpianatry ny sekoly tsy miankina;

Noho izany:

  • Mbola mitohy ny tolona;
  • Tsy handray anjara amin’ireo fanadinam-panjakana atao amboletra izahay Mpanabe izay manao izao fanambarana izao;
  • Tompon’andriakitra isika Ray aman-dRenin’ny Mpianatra amin’ny fandefasantsika ny zanatsika na hanao na tsy hanao ny fanadinam-panjakana;

Marihinay etoana fa tsy tompon’andraikitra amin’ny voka-panadinana sy izay mety hitranga mialoha sy mandritra ary aorian’ny fanatanterahana ny fanadinam-panjakana amboletra rehetra izahay.

Antananarivo, faha-3 Aogositra 2018

Ny Filoha Nasionaly mirahalahy (SEMPAMA sy SYFEMA) sy ny solontenan’ny Faritra 22

(Loharano Coordo Sempama Nosy Analamanga)