14:00 > AJESAIA-U16 – Nahazo tso-drano sy vatsin-dalana avy amin’ny Ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana

Handray anjara amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena eo amin’ny baolina kitra antsoina hoe Gothia Cup China, hatao any Chine ny ekipan’ny AJESAIA- U16 ny 7 ka hatramin’ny 21 aogositra ho avy izao.

Tonga nangataka tso-drano tamin’ny ben’ny tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana izy ireo androany maraina, tetsy amin’ny Lapan’ny tanànan’Analekely.

Tamin’izany no nanomezan’ny ben’ny tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana tso-drano ho azy ireo hahomby amin’izany fifaninanana iraisam-pirenena amin’ny baolina kitra izany, izay handraisan’ny firenena 46 anjara, sy nanomezany vatsin-dalana ho azy ireo koa. Hafatra napetraky ny Ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana nandritra izao fihaonana tamin’ireto ekipan’ny AJESAIA- U16, na latsaky ny 16 taona ireto izao, ny hananana toe-tsaina ara-panatanjahantena na esprit sportif hatrany, izay somary very ihany izany tao ho ao.

Sambany ny AJESAIA no handray anjara amin’ity lalao iraisam-pirenena Gothia Cup China, hatao any Chine ity, nanambara ny filohany Jasmina Ravelonarivo, fa hanandratra avo ny lazan’i Madagasikara izy ireo any Chine izao.