11 febroary 1975 – Ny momba ny fitifirana ny Filoham-panjakana Ratsimandrava (I)

Richard Ratsimandrava 21 marsa 1931 - 11 febroary 1975

Ny Valosoa

Tamin’ny laharana faha 1012 dia noresahana teto amin’ny Gazety Ny Valosoa Vaovao , ny mikasika ny 05 Febroary 1975 nandraisan’ny Kolonely Richard Ratsimandrava ny fahefana feno avy tamin’ny Jeneraly Ramanantsoa ,”Tsy hiamboho adidy aho Mon General” hoy ny Kolonely Ratsimandrava tamin’izany 45 taona lasa izay.

Minisitra 15 no tao anatin’ny fitondrampanjakana, ka 6 no miaramila ary 9 no teknisianina, mbola teny amin’ny ministeran’ny atitany no birao niasan’ny Kolonely Ratsimandrava na dia efa filoham-panjakana aza izy tamin’izany.

Ny alin’ny talata 11 Febroary 1975 dia nanambara ny Radiompirenena, fa mihàtra eto amin’ny firenena ny fepetra amin’ny tany misy hotakotaka , noho izany hoy ilay filazana iangaviana izay efa ao an-trano tsy hivoaka intsony , ny any an-dalana hamonjy fodiana haingana ary nambara tamin’izany, fa raràna ny fivoahana sady niantso ny vahoaka mba samy ho tony ary hanaraka tsy tapaka ny Radiompirenena , feonkira malefaka no heno tao tamin’izany.

Ny ampitso alarobia 12 Febroary 1975 dia nanambara tao amin’ny Radiompirenena ny Jeneraly Gilles Andriamahazo, fa maty nisy namono teny Ambohijatovo ny Kolonely Ratsimandrava Richard ny alin’ny talata 11 Febroary 1975 tamin’ny valo ora alina , maty niaraka taminy ny Gp2 Rakotoarisoa Bernard sy Gp2 Rabotovao, izay samy mpiambina manokana azy , fantatra ihany koa fa maty teny Ambohijatovo i Zimbo sy Mara Seta izay avy amin’ny Gmp , voalaza fa voatifitry ny zandary mpiambina ny Kolonely Ratsimandrava.

Raha tsiahivina, tamin’io talata hariva io dia nivory teny amin’ny minisiteran’ny atitany ny fitondram-panjakana notarihan’ny Filoham-panjakana kolonely Richard Ratsimandrava ary nony vita izany fivoriana izany dia namonjy fodiana ny filoha, niainga teo Anosy, nandalo an’Antsahamanitra , niakatra an’Antaninarenina sy Ambatonakanga ary nihazo an’Ambohijatovo tokony ho tamin’ny valo ora alina, fa hamonjy an’Anjohy toeramponenan’ny Filoha. Tamin’ny fandalovany teo Ambohijatovo ambony no nirefotra ny basy ary maty teo no ho eo ny Filoha sy ireo mpiambina azy, feno diana bal any fiarakodia Peugeot 404 nitondra azy tamin’izany.

Nambaran’ny Jeneraly Andriamahazo koa fa nivory maika ny foloalindahy, nandray ny andraikiny , ka nitsangana ny Komitimpitondrana miaramila (Directoire Militaire) ary ny Jeneraly Andriamahazo manamboninahitra Jeneraly ambony laharana indrindra no filoha, marihina fa mpikambana tao anatin’ny komitimpitondrana miaramila ihany koa ny Capitaine de Fregate Didier Ratsiraka.

Ny alarobia 12 Febroary 1975 na dia voarara aza ny fivoahana ny trano dia tsy tana ny vahoakan’Antananarivo fa tonga teny Antanimora nisy ny tobin’ny Gmp , ny tafika sy ny zandary koa niaraka tamin’ny fiara nifono vy nanery ireo Gmp hitolobatana , efa hariva vao nivoaka tao ry zareo teo ambany fitarihan’ny Kolonely Brechard Rajaonarison, nisy ihany koa ireo Gmp niafina tao amin’ny foiben’ny antoko Psm tao Antaninarenina(Biraon’ny frankofonia ankehitriny) ,nivoaka tao koa ry zareo nony maizimaizina ny andro.

Ireo minisitra tao anatin’ny fitondrampanjakana notarihan’ny Kolonely Ratsimandrava dia mbola nanohy ny fampandehanandraharaha, fa ny Komitimpitondrana miaramila no andrimpanjakana ambony indrindra teto amin’ny firenena tamin’izany. ( hitohy)