Fitondrana Rajoelina: tompon-daka amin’ny fitapitaka sy ny laingalainga

Andry Tsiavalona

Araka ny famoaham-baovao avy ao amin’ny fitondrana dia nahazo doka tamin’ny filohan’ny Banky Afrikana momba ny Fampandrosoana ny filohan’ny Repoblika IV-2, Rajoelina Andry, noho ny ezaka ataony momba ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, indrindra any Atsimon’ny Nosy, voalaza tamin’izany fa tompon-daka amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo hono ny Filoha. Eo ihany koa ny famatsiana rano fisotro madio sy ny famokarana sakafo ara-pahasalamana. Manana masoivoho eto an-toerana ny Banky Afrikana ka tatitra avy aminy ary ve no nahafahan’ny filohan’ity Banky ity nanao izany fandokafana izany.

Raha ny resaka sakafo aloha dia misakafo sady tsy zarizary no ambany foitra ny ankamaroan’ny Malagasy. Sao dia ireny fizarana sakafo nataon’ny fikambanana “Fitia” ireny no ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Mety ho ny fizarana voa maina, vary, menaka (tsy lazaina ny savony) ho an’ireo traboina ihany koa no lazaina fa ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Vao mainka mampitombo ny tsy fahafahan’ny valalabemandry misitraka sakafo ara-dalàna ny fiakaran’ny kojakoja ilaina andavanandro. Mbola manampy trotraka izao tsy fahampian-tsakafo izao ny fahasimban’ny làlana sy fahatapahan’ny tetezana any amin’ny faritra, taorian’ny orana mikija noho ilay andro ratsy. Eo koa ny tetikasa hanokatra trano fisakafoanana (cantine) ho an’ny mpianatra any amin’ireo sekolim-panjakana. Mbola kabary ihany no nahafantarana izany kanefa azo antoka fa tsy mbola ho amin’ity taona ity no ho tanteraka izany. Tsy fantatra marina moa ireo hetsika na tranga teto amin’ny firenena nahafahan’ny filohan’ny Banky Afrikana nilaza izany?

Izay ny momba ny sakafo fa eo amin’ny rano fisotro madio indray dia ny fanesorana ny minisitry ny angôvo sy ny rano ary ny akora fandrehitra sy ny nanendrena minisitra vaovao misahana ny rano sy ny fahadiovana ary ny fidiovana ve no azo ilazana fa manao ezaka momba izany ny filohan’ny Repoblika? Ny zava-misy sy iainana anefa dia mbola ijaliana ny rano, indrindra eto an-drenivohitra. Ny any amin’ny faritra moa dia efa miverina manovo rano eny amin’ny rano mihandrona sy renirano maloto ny mponina. Ny tetikasa fitarihan-drano amin’ny alàlan’ny fantsona (pipeline) any Atsimo, izay efa tetikasan’ny fitondrana teo aloha (Repoblika IV-1) kanefa nisolantsolanan’izao fitondrana izao azy dia tsy mbola misy tokontaniny. Satria tetikasa novatsian’ny sampandraharahan’ny Firenena Mikambana izy io ka, angamba, tsy nivoaka ny vola dia mikatso ny asa hatreto. Kaominina maro anefa no tokony ho nisitraka ity tetikasa ity.

Raha ny famokarana sakafo indray dia efa miandrandra ilay tany midadasika 60 000 ha any Bevoay nomena ny arabo hamboleny vary sy vokatra hafa no handrasana dia tena manao ezaka amin’ity tokoa izao fitondrana izao. Araka izany dia toa mbola any an-kibon’ny omby, na mbola lasan-kovavany avokoa ireo ka tsy misy afaka milaza ny fa manao ny ezaka ny fitondrana. Ny tanimbary amokaran’ny mponina aza terena hamidy amin’ny fanjakana, ka ho totofana sy hananganana tanàna vaovao, ka hihena ny vokatra ara-bary eto amin’ny Renivohitra sy ny manodidina.

Tsapa araka izany fa na ny masoivoho sasany monina eto Madagasikara aza dia toy ny jamba, ka tsy mahita ny tena zava-misy fa miaina amin’ny zavatra henony ihany. Tsy mahagaga loatra izany satria sarotra ho azy ireo ny hitsabaka ny any anaty vilanin’ny gasy any toy ny tsy fahafahany mitsabaka amin’ny raharaham-pirenena, indrindra ny ara-politika. Asa aloha raha miombon-kevitra amin’ity filohan’ny Banky Afrikana ity ireo filoham-pirenena nandalo teto Madagasikara na tamin’ny tetezamita, na tamin’ny fiatombohan’izao fitondrana izao.

Na izany na tsy izany dia efa mahazo miandrandra sakafo ara-pahasalamana sy ampy sady mora ny “gasy kely” ary indrindra tsy hampilahatra “bidons jaunes” intsony, ka hiadana sy ho finaritra tokoa eo ambany fitondran’ny mpampanonofy sy ny mpamatsy vola an-jambany. Raha ny tena marina dia tompon-dakan’ny fampanofisana, ny fitapitaka, ny laingalainga, ny halatra koa ity fitondrana Rajoelina ity, fa tsy tompon-daka velively amin’izany ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo izany, ny fikambanana iraisam-pirenena no tena manao ireny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ireny eto amintsika, mpanara-drenirano ao aoriana fotsiny ny mpitondra, izay ilay hoe efa zatra mijapy traina, train TGV manao fandehan-tsokatra e!