RY GASY VAO TONGA O ! (GVT)

Hanondrana indray ve ny Gasy Vao Tonga
Ka hirehareha hoe ‘zahay izao no “favo”?
Dia hiesona indray ve ny maro kilonga
Satria efa azony ny toerana avo?

Kabariny aloha “azo hihinanana vary”,
Fa tena matsiro sy bebe “episy”.
Kanefa ireo asany, tsy lavorary,
Satria tsy dia fantany ny zava-misy!

Ny mety any andafy no indreo tanisainy
Sy ataony kabary rehefa mitafa,
Kanefa mazàna tsy dia ao an-tsainy:
(Ny zavatra iainana anie samy hafa!)

Ny mety amin’ny gasy dia vary sy hena,
F’ireo no sakafo manohana ny aina.
Ka tsy azo soloina na teriterena
Mba hiova ho “paty” sy mofo dipaina!

…Ka ‘zao re no izy ry Gasy Vao Tonga ,
‘Zahay olon-tsotra aza rebirebena.
Aza atao andranandrana na koa somonga,
Ny fomba hitantanana ny firenena.

‘Zay entinareo, mety ho tena mirenty,
Kanefa fanteno ny mety eto an-dasy.
Tsy ‘zay fakofakon’ny tany vaventy,
No atao andranandrana ho an’ny gasy!

Jereo ny eny an-tsaha sy ‘zay eto an-tanàna,
Fa aza mipetraka ho haingom-birao.
O ry Gasy Vao Tonga mandray fahefana ,
Alefaso malaky ‘zay tena adinao .

SEDERA RAVALISON (06-02-20)