Rina Randriamasinoro – Mampitandrina ny Serasera Mada amin’ny tsaho aeliny

Nangonin’Isambilo

Mampitandrina ny mpanao Facebook : Serasera Mada, i Rina Randriamasinoro amin’ny fanelezana tsaho sy vaovao tsy marina ataony. Araka ny fanambaran’i Rina: « ho anareo groupe na page mpanaratsy olona sy mpanely tsaho, vaovao tsy marina, aza manao ny tenanareo tsy ho tratry ny aloka, ka sahy manaratsy sy manalabaraka olona ary milaza izay tianareo lazaina satria misy mpiaro. Mba izay tena vaovao marina lazaina.

Ity misy fanampiana fahalalana kely ho anareo tsy ampy an’ilay zavatra, ka lasa miteniteny foana: matoa ny “ordonnateur ” afaka manao sonia vola mivoaka dia “éligible” izay ilay dépense, izany hoe ao anaty budget, efa nandalo ny visas rehetra toy ny contrôle financier sns…, ary ny comptable (Trésorier Municipal), izay personnel Ministère des Finances et Bugdet no gardien de procédure ary manao ny paiement na fandoavam-bola, compétence-ny irery izany ary tsy misy afaka manery azy amin’izany amin’ny maha mpiasan’ny fanjakana foibe azy. Ny zavatra nisy teo dia ny incoherence na tsy fitoviana, entre ny solde en caisse, na vola tahiry sy ny fonds disponibles, na vola azo omena. Izany hoe tsy misy idiran’ny ordonnateur fa an’ny comptable ihany satria izy no mpitahiry vola.

Mbola manaitra ny mpiandraikitra cybercriminalité ihany, asehoy fa tany tan-dalàna i Madagasikara, tokony hosamborina koa ny mpanely vaovao tsy marina, sy mpanely tsaho toy ny Serasera Mada itony”.