Boriboritany faha-4 sy faha-6 – 10 andro sisa dia ho ben’ny tanàna Rina N°2

Stefa

10 andro sisa dia hiatrika ny fandatsaham-bato amin’ny fifidianana ho ben’ny tanàna sy mpanolotsaina ny mpifidy rehetra manerana ny Nosy. Ho an’Antananarivo Renivohitra, nanakoako tamin’ny fampielezan-kevitra nataon’i Rina N°2 omaly, tao amin’ny Boriboritany faha-6 ny maraina, sy tany amin’ny Boriboritany faha-4 ny antoandro, fa afaka 10 andro sisa dia hahazo ben’ny tanàna vaovao Antananarivo Renivohitra dia Rina N°2 natolotry ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), kandidà tanora manana traikefa amin’ny fitantanana tanàna. Tao amin’ny Boriborin-tany faha 6, izay miaraka sy resy lahatra amin’i Rina.

Niainga teo Anosisoa, nandalo an’Ambodimita, Andranomena, Ambohidroa ary Ambatolampy ny fitetezana ny isam-baravarana nataon’i Rina sy ny mpiara-dia aminy, nanotrona izany koa ny filoha nasionalin’ny antoko, Marc Ravalomanana. Niaradia tamin’i Rina kandidà laharana faha2 omaly io, ireo vahoaka marobe, nanao hiakam-pifaliana sy naneho fanohanana feno ny kandidà atolotry ny Tiako i Madagasikara, ho ben’ny tanàna, sy ireo mpanolotsaina miaraka aminy. Kandidà akaiky ny vahoaka, mahay, mahalala ary mahavita Rina RANDRIAMASINORO, ka mendrika ny ho Ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra. Mahafantatra, matoky, ka hifidy azy ny olom-pirenena tsy ankanavaka.

Manamafy izany ny hafanampo tamin’ny fanatonana sy firesahana na ihany koa fikopahan-davitra an’i Rina teny rehetra teny. Tsy hampanonofy ny mponin’Antananarivo aho hoy i Rina, fa hitondra fampandrosoana mendrika sy antonona azy. Ny fiarahana mifidy ny kandidà TIM laharana faha 2 no hanova ny ho avin’Antananarivo. Kandidà miavaka amin’ireo mpifaninana aminy i Rina hoy ny filoha Marc Ravalomanana satria efa voasedra, voahofana ary manana ny fahaiza-manao momba ny fitantanana. Koa dia latsa-bato sisa afaka 10 andro, ny 27 novambra ho avy izao io, fa Antananarivo dia efa resy lahatra amin’ity kandidà natolotry ny TIM ity.