ANTSON’NY TIA TANINDRAZANA

Le président français, Emmanuel Macron, sur l’île de Grande Glorieuse, dans l’océan Indien, le 23 octobre 2019. JACQUES WITT / AFP

Dia hangina va ianao ry zanaky ny firenena,
Raha ny “zara taninao” no anaovan`olona hafetsena,
Ka bodoiny sy bahanany amim-pomba tsy mazava,
Sady ry zareo indray no toa mandidy sy avo vava?

Moa ilaina ve ny dinika ary koa ny firesahana
Amin’ny tsy ampy fanajana f‘avy hatrany dia mibahana?
Ary dia isika tompony, isika indray no hangataka atiny,
Hogejain’i Lafrantsa ka hanaiky hampiriatiny?

Tsia dia tsia ry Lafrantsa izay nangeja, nampijaly.
Tsy mitovy intsony akory raha ny anio sy ny omaly.
Koa mahaiza mifanaja, tsisy ambony, tsisy ambany,
F‘efa dify, tena dify izany fanjanahantany!

Na handady i Lafrantsa, na hijoro, na hanidina,
Dia anay, anay, anay ny vondro-nosy manodidina.
Tsy ‘zahay no mbola hitaky ny efa anay ka aza fady
Fa ny ankoatr’izay dia tsotra: tena hoe filàna ady!

SEDERA RAVALISON (16-11-19)