Fifidianana Kaominaly sy Monisipaly – Tratra am-body omby ny hosoka hangalaram-bato

Helisoa

Tsy tahotra tsy henatra intsony fa dia efa mibaribary toy ny vay an-kandrina ny kajikajy hoenti-mangala-bato amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna sy mpanolontsaina. Maro mantsy ny tranga amin’ny hosoka atao amin’ny lisi-pifidianana indray ankehitriny, amin’izao ankatoky ny fifidianana kaominaly izao. Noho izany, hentitra ny avy amin’ny antoko Tiako I Madagasikara (Tim), tamin’ny alalan’ireo depiote, fa handray fepetra manokana manoloana ny hosoka sy halatra izy ireo:

Tsy kely lalana ny ratsy. Mitombina mihitsy io fomba fiteny io amin’ny zava-mitranga ankehitriny, amin’izao ankatoky ny fifidianana kaominaly sy monisipaly hotanterahina, ny 27 novambra izao. Efa mitranga sy mibaribary mantsy amin’izao fotoana izao ny hosoka sy ny tsy fanarahan-dalàna hoentina hampandaniana kandidà Ben’ny tanàna iray sy ireo mpanolotsaina avy amin’ny antoko politika sasany eto Antananarivo Renivohitra sy manerana ny Nosy, kandidam-panjakana. Manoloana izany indrindra, nitambatra ireo solombavambahoaka avy amin’ny Boriboritany enina eto Antananarivo Renivohitra, avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara (Tim), ka nanao fanambarana sy nitondra fanazavana manoloana ireo hosoka maro isan-karazany tazana eny amin’ireo fokontany. Nambaran’ireo depiote Tim fa maro ny tatitra sy fitarainana voarain’izy ireo mahakasika ny hosoka eny anivon’ny fokontany. Notsindrian’ny solombavambahoaka lany tao amin’ny Boriboritany voalohany, Me Hanitra Razafimanantsoa, fa rehefa nanao fizahana sy fanadihadiana teny ifotony izy ireo, nisy mihitsy ny « fahatratrarana ambody omby » ny hosoka tamin’ny sombina lisi-pifidianana teo anivon’ny fokontany iray teny amin’ny Boriboritany voalohany. « Ambaranay mazava, ho ren-tany ho ren-danitra eto fa misy ny hosoka hoentina hampandaniana kandidà iray. Izahay dia manana ny lisi-pifidianana reniny, izay avy any amin’ny Ceni. Lisi-pifidianana manan-kery izany, izay nentina nanantanterahana ny fifidianana solombavambahoaka farany teo. Tokony hitovy amin’io lisitra reniny io ny lisitra eny anivon’ireo fokontany, saingy ny zava-niseho sy ny hitanay dia tsy mitovy ilay lisitra reniny sy ilay sombiny teny anivon’ny fokotany », hoy ny depiote Me Hanitra Razafimanantsoa. Voaporofo fa nisy ny fikitihana ilay sombiny amin’ny lisitry ny mpifidy teny anivon’ny Boriboritany. « Fa alalana avy aiza ary zo avy aiza no ahafahana mikitika lisi-pifidianana izay efa nofaranana tamin’ny 15 mey lasa teo? Io lisi-pifidianana tamin’ny fifidianana solombavambahoaka io ihany no hoentina hanatanterahana ny fifidianana Ben’ny tanàna sy mpanolotsaina. Noho izany, raha ny tranga hitanay ary voaporofo mazava, nokitihina ny lisitry ny mpifidy teny amin’ny fokontany iray tao anatin’ny Boriboritany voalohany. 513 no voalaza sy voasoratra anaty lisitra fa rehefa natao ny fizahana sy fampitahana nataonay, lasa 675 ny voasoratra anatin’ilay lisi-pifidianana. Raha ny lalàna sy ny tokony ho izy, tsy maintsy mifanaraka ny lisitra reniny sy ny sombiny eny amin’ny Boriboritany », hoy hatrany ity solombavambahoaka ity.

Manoloana izany indrindra, nanao antso avo amin’ny Ceni ireo solombavambahoaka avy amin’ny antoko Tim, fa mbola manana fotoana malalaka ity rafitra mpikarakara ny fifidianana ity hanitsiana ny tsy mety ary hamerenana amin’ny laoniny ny sombin’ny lisitry ny mpifidy isaky ny Boriboritany.

Ankoatra izay, hentitra ny fanambaran’izy ireo fa « aoka izay ny fanaovana tsinontsinona ny vahoaka, aoka izay ny halatra sy ny hosoka hamadihana ny safidim-bahoaka… ».