HIANDRY AN’IZA HO AVY INDRAY ?

Hiandry an’iza ho avy indray vao hihetsiketsika ianareo?
Ireo mpamatsy vola anie tsarovy f’efa be no leo,
Satria andrasany mihitsy izay ho fiovana haingana,
Nefa hatreto toa tsy hita izay mba zavatra mivaingana.

Hiandry an’iza ho avy indray vao hihetsiketsika ianareo?
Ireo mpamatsy vola anie mba tofoky ny “omeo,omeo”,
Ka tsy olona mpangata-dava, tsy izany no andrasany,
Fa ny misy zotom-po ka misongadina ny asany.

Hiandry an’iza ho avy indray vao hihetsiketsika ianareo?
Ireo mpanohitra, jereo fa efa indreo mampiaka-peo,
Ka sao ‘nareo hihahaka eo, ho lany andro am-pisikinana.
Fifidianana, fantaro f’io no seha-panadinana.

Hiandry an’iza ho avy indray vao hihetsiketsika ianareo?
Ny fahantran’ireo vahoaka, izay no maika ka jereo.
Tsy ny vahiny izay mandalo no hamafy fiadanana,
F’ianareo mpitondranay ka ‘ndeha avoty ireo tsy manana.

DADAN`i ZINA (08-09-19)