Fifidianana Ben’ny Tanàna – Antananarivo – Marc Ravalomanana no ho atolotry ny RMDM – Rodobe Alakamisy 12 Septambra, 10 ora maraina

Nifandimby nandray fitenena ny mpikambana ao amin’ny filankevitry ny Rodobe ho an’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara (RMDM) ny Talata maraina faha-10 Septambra nitafa tamin’ny mpanao gazety.

Nandray fitenenana i Tabera Andriamanantsoa, nanazava fa Antananarivo dia taratr’i Madagasikara, ary tamin’ny naha-Ben’ny Tanànan’Antananarivo an’i Marc Ravalomanana dia hita sy tsapa ny fivoarana. Nanohy izy nilaza fa na dia efa filohan’ny Repoblika àry i Marc Ravalomanana dia mety ny fiverenana amin’ny ifotony, ary izay indrindra no isan’ny foto-kevitra politika ao amin’ny RMDM.

“Miangavy anao [Marc Ravalomanana] aho mba hanao kandidà “Maire”-n’Antananarivo”, hoy izy. Nisy ny resaka hadiny efatra izay nifanaovana ka nilazàn’i Marc Ravalomanana fa raha izy no tadiavin’ny RMDM hilatsaka dia tapa-kevitra izy handroso amin’izany.

Nanampy koa i Alain Andriamiseza fa rehefa nifandinika sy namakafaka ary rehefa nahatsapa ny olana misy eto amin’ny firenena amin’ny fametrahana mpanohitra amin’ny tokony ho izy eny amin’ny antenimierampirenena, izay mbola tsy tafapetraka hatramin’izao, sy ny fanakantsakanana ny fisian’ny mpanohitra tena izy manaraka ny safidimbahoaka sy ny ara-dalàna, dia tapa-kevitra fa hanolotra an’i Marc Ravalomanana hilatsaka “Maire”-n’Antananarivo.

Torak’izany koa ny Pasitera Edouard Tsarahame, dia nanamafy izany fanolorana an’i Marc Ravalomanana hilatsaka ho ben’ny tanànan’Antananarivo, ary manentana sy miantso ny rehetra, mpikambana, mpankasitraka, mpisehatra politika, mpanohatra ho avy amin’ny Alakamisy 10 Septambra ho avy izao hanao rodobe ho an’ny fanoherana eny amin’ny OVEC hiaraka amin’ny kandidà hanatitra ny antontan-taratasy hilatsahan-ko fidiana.

Ny Valosoa