HITOKANA INONA INDRAY ?

Hitokana inona indray?
Hitokana ny tsy natao,
F’izay no zavatra mba hay
Sy efa mahazatra anao?

Dia indro ezahina ny hamafa
Sy hanova ny tantara,
Ka ny vitan’olon-kafa
Dia lazaina fa tsy tsara?

Izany ve no tetikady
Tena hay sy manavanana:
Ny miseho sy be parady
Raha vao misy fitokanana?

Fa ny anao tsy mety miainga
Iretsy nofy mampibitaka,
Hany ka mamoron-dainga
Nolaroina toky fitaka?

Mihevera ry sakaiza,
(Ny mpijery anie tsy pahina!)
Mihevera hoe hatraiza
Ireo vahoaka no hofitahina!

Mbola misy ny fotoana
Ka miezaha hanova tetika,
Aza ny tsy mety foana
No haverina matetika.

DADAN’i ZINA (22-07-19)