Antenimierandoholona – Mampalahelo fa ataon’ny fitondràna TGV toy ny tsy misy intsony

Helisoa

Nanomboka omaly ny fankalazàna ny faha-60 taonan’ny Antenimierandoholona, ka nosantarina tamin’ny fanompoam-pivavahana tao amin’ny EKAR Masindahy Josefa Mahamasina izany. Taorian’izay, nosokafana tao Anosikely ny fampirantiana ny tantaran’ny Antenimieran-doholona sy ny fitokanana ny takela-pahatsiarovana ny faha-60 taona. Nandritra izany tonga avokoa ny andrim-panjakàna misy teto amin’ny firenena toy ny HCC, CFM notarihin’ny filohany avy Rakotoarisoa Eric sy Maka Alphonse, ny Antenimieram-pirenena izay ny filoha lefitra tao Toliara Rabenirina Jean Jacques no nisolotena ity andrim-panjakàna mpanao lalàna ity. Nisolotena ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana kosa ny talen’ny kabinetrany Ranjakasoa Mparany Gabhy. Teo ihany koa ny solontenan’ireo masoivoho vahiny miasa sy monina eto Madgasikara. Fa ireo fahefana lehibe indrindra eto amin’ny firenena kosa dia tsy mba nanana solontena nanatrika io fotoan-dehibe faha-60 taona ny Antenimierandoholona io dia ny governemanta sy ny fiadidiana ny repoblika izany.

Efa mihevitra ity andrimpanjakàna ity ohatra ny tsy misy intsony ve i Andry Rajoelina filoha sy ny lehiben’ny governemanta Ntsay Christian? Sa rehefa tsy mitovy hevitra politika misolelaka amin’ny fitondràna dia atao ohatra ny tsy misy? Tadidio fa matoa mbola mipetraka eo ny Antenimierandoholona dia miasa ho an’ny vahoaka ary volam-bahoaka no hanakaramàna azy ireo, ka tokony mba asiana vidiny ihany.

Tena miharihary sy hitan’ny vahoaka ankehitriny fa mpitondra te-hanjaka tokana hanao izay danin’ny kibony no misy ankehitriny, ka izay tsy mitovy hevitra aminy dia atao ohatra ny tsy misy avokoa. Tsy manakambo anefa fa ny zava-bitan’ny teo aloha ihany no tokanana ankehitriny, fa ilay lazaina fa IEM nodradradraina tsy hita popoka akory hatramin’izao .