Faradoboka – Rastany kandidà laharana faha-9 – Very hevitra ny ekipan’i Rajoelina – Nosoloina vao omaly ny sefo fokontany

Faradoboka Rastany: Norahonana ny fanaovana faradoboka ety Ambohipo ka afindra eny Ampamatanana

Miamafana ny raharaha ety Ambohipo, raha nilamina ny fampielezan-kevitra hatramin’izay teto Antananarivo, Boriborintany faha II, izay samy nifandimby nanao fampielezan-kevitra teto amin’ny terrain basket, tokotany malalaky ny Fokontany, dia nangataka fahafahana hanao faradoboka eo ihany koa i Randrianarisoa Stanislas na Rastany, kandida narotsaky ny antoko Tiako I Madagasikara – K25, mitondra ny laharana faha 9 amin’ny bileta tokana.

Nahazo taratasy ara-dalana tamin’ny fokontany ny ampiasana ny toerana, nahazo ihany koa avy amin’ny Distrika, ary ny alina manontolo dia efa nametraka ny estrade, anio maraina no ametaka ny sono, no nilatsaka ny fandrahonana samihafa.

Omaly dia nesorina ny sefo fokontany sy ny vice, ka nilaza ity sefo fokontany vaovao ity, fa tsy azo anaovana fampielezan-kevitra ny tokotanin’ny fokontany.

Naseho ity sefo fokontany vao notendrena omaly ity ny fanomezan-dalana nataon’ny sefo fokontany teo aloha, sy ny fanomezan-dalana avy amin’ny Distrika, nifampiresahina ny teo anivon’ny CENI, dia nilaza koa fa tokotanin’ny fokontany tsy azo anaovana fampielezan-kevitra, nefa teo foana ny rehetra no nanao hatrizay, fa tonga ny anjaran’i Rastany, izay nahavita be teto amin’ny fokotany dia noraran’ity sefo fokontany vao notendrena omaly ity.

Nilaza moa ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana tamin’i Rastany hoe, aza miadiady izany fa afindrao ny toerana anaovana faradoboka, dia nanapa-kevitra ny komity mpanohana an’i Rastany, kandida Boriborintany faha II, fa afindra eny Ampamatanana, kianja fanaovam-baolina androany sabotsy 25 mey, ny faradoboka ataon’i Randrianarisoa Stanislas na Rastany, kandida ho solombavambahoaka eto amin’ny Boriborintany faha II, laharana faha 9.

FB Patrick Raharimanana