Fifidianana – Diso paika ny ekipan-dRajoelina

Andry Tsiavalona

Hifarana anio sabotsy amin’ny 12 ora alina ny fampielezan-kevitr’ireo kandidà ho solombavambahoaka amin’ny fifidianana ny alatsinainy 27 Mey ho avy izao. Angamba samy nanao izay tratry ny heriny sy araka izay tetibola nentina nanatanteraka izany ny tsirairay sy ny mpanohana azy. Ny fantatra izao dia maro an’isa ireo kandidà tsy miankina amin’ny antoko no nirotsaka amin’ny anaran’ny tenany na amin’ny anaran’ny vondrona nanolotra azy. Araka izany dia tsy ho voafehina antoko izy ireo, ka afaka mametraka vondrona parlemantera iray raha lany soa aman-tsara. Afaka mirona any amin’izay antoko heveriny fa mitovy firehana sy tanjona aminy koa anefa ny tsirairay. Matoa lany any amin’ny distrika nirotsahany anefa izy dia azo antoka fa tsy nanao ratsy ary tena niara-nihosona tamin’ny vahoaka any an-toerana izy. Inoana fa hafanafana ny fampielezan-kevitra amin’ity andro farany ity satria mbola misy ny fanantenana handresy lahatra ny mpifidy. Ho an’ny vovonana “isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina” (IRD) sy ny “Rodoben’ny mpanangana” (TIM) dia sakamalaho sy havozo ireo, ka samy manana ny hanitra ho azy.

Araka ny hevitry ny mpandinika ny toe-draharaha politika eto amin’ny Firenena dia diso paika ny ekipan-dRajoelina Andry satria efa nanantena fa hizotra araka izay niheverany azy ny tetika rehetra. Raha neken’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana tokoa mantsy ny niarahan’ny fifidianana solombavambahoaka sy ny fitsapankevi-bahoaka dia nazava ho azy fa rodorodon’ny be tanimena tokoa, ka ho nahazo laka ny IRD. Mbola manantena indray izao fa tsy afaka hanao na inona na inona ihany koa ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana satria efa nanaiky ny nampiasana ny anaran-dRajoelina Andry tamin’ny fampielezan-kevitra. Tsy misy afaka mandà kosa fa tena fitanilàna iny fanapahan-kevitry ny HCC iny. Asa na samy manana ny “fahamarinany” tokoa eo amin’ny sehatra politika, ny an’ny fitsarana hafa ary ny an’ny politisiana sy ny vahoaka hafa ihany koa. Efa in-droa no niongana teo amin’ny fitondrana Rajaonarimampianina Hery kanefa dia ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no nanavotra azy satria didy tsy azo ivalozana hatrany no avoakan’ity andrim-panjakana ity. Mbola tsy naneho ny heviny izy manoloana ireo fanitsakitsahana lalàna nataon-dRajoelina Andry tamin’ity herinandro ity raha nanao fampielezan-kevitra ho an’ireo kandidàny izy. Mazava moa ny an’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana (CENI), fa tsy afaka manasazy ny mpandika lalàna izy. Ny azo lazaina dia natahotra mafy ny “Rodoben’ny Mpananangana” ny “isika rehetra miaraka amin’i Rajoelina Andry” ka ny anaran’ny manampahefana ambony indrindra sisa no narangaranga sy natao fitaovana handresena lahatra ny Malagasy.

Na dia ady tsy fiady aza izany dia tsy araka izay niheveran’ny sasany azy ny fizotry ny fampielezan-kevitra fa tsy nisy fifampihantsiana sy fifanompana na dia betsaka aza ny fandikan-dalàna nataon-dRajoelina Andry, indrindra tamin’ity herinandro farany ity. Miantso ny fandraisana andraikitr’ireto andrim-panjakana ireto manoloana ireny fihetsiky ny filohan’ny Repoblika ireny ny olompirenena mahay manavaka ny ratsy sy ny tsara. Tsy nihantsy an-Rajoelina Andry ny filoha nasionalin’ny antoko TIM, Ravalomanana Marc, fa niantso ny vondrona iraisam-pirenena kosa mba haneho ny heviny manoloana izany. Heverina fa tsy fitsabahana amin’ny raharaha anatin’ny firenena Malagasy izany fa famotsipotsirana ny fisian’ny tsy maty manota. Raha ny lalàna dia fanesorana an-dRajoelina Andry amin’ny maha filohan’ny Repoblika azy no miandry azy, eo koa ny fanintsanana ireo kandidàny, kanefa rehefa tsy ho sahy hamoaka izany ny Fitsarana Avo dia ho avy ny “fitsaram-bahoaka” amin’ny alàlan’ny fifidianana raha tsy hisy indray ny hosoka sy ny fanodinkodinana ny vokatra.