EDITO 23 Mey – Fifidianana sy fampielezan-kevitra : Mikaviavia ny mpampihàtra lalàna sa kajy politika?

Sôh’son

Efatra andro mialoha ny fifidianana solombavambahoaka isika amin’izao fotoana izao. Tapa-bolana mahery izao no nisian’ny fampielezan-kevitra ofisialy, ary samy nanao izay saim-pantany ireo kandida tao anatin’izany. Arakaraka ny nirosoan’ny andro anefa no nahitana fa be ireo tsy fanarahan-dalàna samihafa na dia teo aza ireo fampitandremana nataon’ny avy eo anivon’ny Ceni. Rehefa miteny ity farany anefa dia mihivingivina be ihany ny maro. Saika isan’andro no mivoaka amin’ny haino aman-jery sy an-tsoratra ny teny ambaran’ny tomponandraikitra eo anivony milaza hatrany ny azo atao sy ny raràn’ny lalàna mifehy ny fampielezan-kevitra, na ihany koa ny fifidianana. Anisan’ny narahi-mason’ny mpanara-baovao ny fihetsiky ny Ceni sy ny fepetra raisiny manoloana ny tsy fanarahan-dalàna izay nibaribary nataon’ny hatrany amin’ny filohan’ny Repoblika niaraka tamin’ny kandidàny.

Talohan’ny zava-nitranga izay anefa dia toy ireny olom-pirenena tena manana ny finiavana hametraka ny fahamarinana eto amin’ny tany sy fanjakana tokoa ny tomponandraikitra eo anivon’ny Ceni. Nitranga anefa ny fihetsika hitam-poko hitam-pirenena nataon’ireo miara-dia amin’ny fitondrana, tsy hita akory izay fepetra noraisina, fa zary nahodinkodina ny resaka amin’ny filazana miendrika fanilihana andraikitra. Ny tsapa mihitsy aza ho an’ny sasany dia tena miala andraikitra tsy te-ho tomponandraikitra hamatotra ny filohan’ny Repoblika sy ireo kandidà miara-dia aminy nanao fihetsika tafahoatra tany amin’ny toerana samihafa ny tokony hampihàtra lalàna. Nilaza mihitsy ny kandidà avy eo anivon’ny antoko Tim iray, fa raha avy amin-dry zareo no nanao an’ireny fihetsika ireny efa asa izay fepetra sy fihazakazahana nampihàtra ny lalàna. Ireo eo amin’ny fitondrana no manao izany dia manao fialan’ny Jiosy ary tsy ahitan-teny firy ny eo anivon’ny Ceni? Fitanilana izany, hoy ny teo anivon’ny fiarahamonim-pirenena. Izany hoe, hatreto izany, ny fampiharana ny lalàna amin’ny fifidianana eto amin’ny firenena dia misy faharefoana ihany ary tsy mahitsy manaraka ny tokony ho izy.

Efa niaraha-nahita ny lesoka lehibe tamin’ny fifidianana Repoblika iny, izay nampihivingivina ny vahoaka maro an’isa. Noheverina fa efa niezaka nanarina izany ny mpisehatra rehetra manam-pahefana mahefa kanefa toa mbola mikivilavila be ihany ny fandehan-draharaha. Misy fiantraikany any amin’ny toe-tsain’ny vahoaka manoloana ny raharaham-pirenena anefa ireny rehetra ireny.