EDITO 9 Aprily – Misy manodina sahady ny vary moran-dRajoelina

Rajaonarimpanontsana

Araka ny vaovao voaray dia misy manodina sahady ny vary moran-dRajoelina. Fanambaniana tsotra izao mba tsy ilazàna fa fanompana ny mponin’Ambatomainty, Distrikan’Ambatomainty any amin’ny faritra Melaky ny fanomezan’ny fanjakana ity Vary Mora ity satria faritra anisan’ny mpamoka-bary ry zareo fa ny lalana hamoahana izany no tsy misy.

250 Ar ny kapoakan’ny vary amin’izao fotoana izao any an-toerana , izany hoe 875 Ar ny Kilaon’ny vary gasy vokatra any an-toerana, kanefa dia mbola nanaterana Vary Mora avy any ivelany indray hamidy lafo noho ny vokatra ao an-toerana satria 1000 Ar ny vary mora. Vokany, nahodin’ny olona ilay vary mora satria mamotika ny vidim-bary any an-toerana.

Betsaka ireo tantsaha mpamboly no tezitra amin’ny fitondrana, noho izay fihetsiky ny fanjakana izay. Na dia lazaina fa amidy amin’ireo rava trano tamin’ny fahamaizana tao akaikin’Ambatomainty aza ilay vary mora dia nampiaka-peo ireo mponina fa maninona raha ny lalana hamoahana ny voka-bary no hamboarina, na ny sarany nitondrana ilay vary mora tany an-toerana no nomena ary Ambatomainty ihany dia afaka manome vary an’ireo tra-boina amin’izay fotoana izay.

Fisehosehoana sy fanambatambazana ara-politika fotsiny ihany no fahitana ity fihetsiky ny fitondram-panjakana ity ary manambany tsotra izao ny tantsaha ao Ambatomainty. Asa na ireo mpila ranondranony amin’ny fanjakana ao an-toerana no manipy hoditr’akondro ny fitondrana, na ny ao Iavoloha mihitsy no tsy mahafantatra ny zava-misy ao Ambatomainty sy ny manodidina, sy tsy mahafantatra ny zava-misy any ambany ravin-kazo rehetra any fa variana mitsangatsangana any ivelany fotsiny. Raha ny vola lany nitondrana ilay vary mora mantsy dia betsaka lavitra nohon’ny vidin’ny vary ao an-toerana, ka tsy atao mahagaga raha tezitra ny tantsaha mpamokatra vary.

Tamin’ny nitondran’ny filoha Marc Ravalomanana anefa dia ny lalana hamoahana ny vokatra no laharam-pahamehany ary voavonjy haingana ireo tra-pahavoazana fa tsy mila miandry Vary mora avy lavitra izany. Tonga hatrany Maintirano sy ny faritra Melaky iny hatramin’ny Mazda tamin’ny fitondran’i Dada. Taratry ny tsy fahaiza-mitondran-dRajoelina avokoa ny trangan-javatra toy izao misy any amin’ny faritr’i Melaky izao.