EDITO 23 Novambra – Fanomezam-boninahitra farany an’i Ninie Donia – Voaatitra ihany ny fehezam-boninkazo na noraran’ny Préfet aza

Isambilo

Voaatitra ihany ny fehezam-boninkazo ho fanomezam-boninahitra farany an’i Ninie Donia, nataon’ireo vehivavy olon-tsotra sy mpanao politika, tetsy amin’ny Tsangambaton’ny Mahery Fo tetsy Ambohijatovo omaly. Solontenana vehivavy miisa 6 ihany izy ireo no navelan’ireo herim-pamoretana nanatanteraka izany. Tao aorian’ny fotoam-pivavahana natao ho fialan-tsasatry ny fanahin’i Ninie Donia tetsy Bel’Air Ampandrana nokarakarain’ireo vehivavy olon-tsotra sy mpanao politika ireo, nisy ny solontenan’izy ireo nihazo an’Ambohijatovo nanatitra izany fehezam-boninkazo izany.

Na nandrara izany hetsika izany aza ny Prefet de Police-n’Antananarivo afak’omaly, tontosa ihany io hetsika ho fanomezam-boninahitra farany ny mpanakanto sady mpitolona Ninie Donia io. Noho ny halavirana any Nosy-Be misy ny vata mangatsiakan’ity Mpanjakavavin’ny Salegy ity, no nahatonga azy ireo nanatanteraka izao hetsika teto an-drenivohitra izao, ho fiaraha-miory amin’ny fianakaviany sy ny vahoakan’i Nosy-Be, sy ho fanaovam-beloma farany an’i Ninie ihany koa, izay ambaran’izy ireo fa Mpanakanto, Rahavavy, Zoky, ary Ray aman-dreny. Nahatsapa ny fijaliana nolalovany izy ireo ka nanao izao fiaraha-mientana izao. Fanateram-boninkazo tokoa ve moa dia tokony ho rarana, ka mety nahatsapa an’izay ny herim-pamoretana eto amintsika, ka nilefitra ihany, Andriambavilanitra koa no nanatanteraka ny hetsika, ka sarotra amin’izy ireo ihany ny hampiasa hery amin’izany, ka hany heriny namela ireo vehivavy ireo nanatontosa ny adidiny farany tamin’i Ninie Donia ihany.

Tsy nisy tsy nanakiana an’i Prefet sy ireo herim-pamoretana ny maro afak’omaly momba ity hetsika nataona vehivavy ity, hita hoy izy ireo fa ny tahotra no lehibe indrindra amin’ny fitondrana tsy ara-dalàna mitondra ankehitriny, ka na Andriambavilanitra hanatitra fehezam-boninkazo aza dia natahorana. Mbola aiza re izany e! tsy misy mahatohitra ny herim-bahoaka io rehefa tena ho avy izany, efa nivadika ho tolom-bahoaka rahateo ny tolon’ireo vondron’ny kandidà.