Fanatanterahana fifidianana – Tsy misy mandeha amin’ny laoniny sady tsy manara-penitra

Andry Tsiavalona

Mikiry biby hanatanteraka ny fifidianana ny alakamisy 16 novambra 2023 izao fitondrana izao, ka mampiasa ny fomba sy ny tetika rehetra handemena ny sain’ny vahoaka Malagasy ho tonga handatsabato. Tsy miraharaha izay fanambarana rehetra nataon’ny hery velona mijoro eto amin’ny firenena mba hirosoana amin’ny fanadiovana ny kianja hilalaovana amin’ny alàlan’ny fikaonan-doha aloha hisorohana ny fipoahana ara-tsosialy.

Tsy mety miaiky mihitsy ireto mpomba izao fitondrana izao, fa tsy misy mandeha amin’ny laoniny sady tsy manara-penitra ny fanomanana ny fifidianana. Tsy araka ny Lalàmpanorenana aloha ny nametrahana ireo filohampanjakana mpisolo toerana izay roa ny lohany: ny governemanta sy ny filohan’ny Antenimierandoholona, izay samy neken’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana. Tsy nisy famindram-pahefana teo amin’ny filohan’ny Repoblika nametra-pialàna sy ny filohan’ny Antenimierandoholona, izay tsy ara-dalàna ihany koa ny nametrahana azy, satria tsy nisy famindram-pahefana taminy sy ny Filoha teo aloha. Tsy ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no manapakevitra momba ny datim-pifidianana, fa ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana no manolotra sosokevitra ary ny governemanta no mamoaka didim-panjakana manamafy izany. Nanao fanahiniana ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana raha tsy nanamarina ny maha vazaha frantsay an’i Andry Nirina Rajoelina noho ny fangatahana nataony hisitraka izany zom-pirenena izany ary nionona tamin’ny fisian’ny taratasy nilaza ny maha malagasy azy fotsiny ihany. Araka izany dia ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenena no fototr’izao loza mihàtra eto amin’ny Firenena izao, ka mampanahy ny hisian’ny fifanjevoana tsy hifankahitana eto amin’ny Firenena aorian’ny fifidianana raha hikiry biby mbola hanatanteraka izany izao fitondrana izao.

Iaraha-mahita koa ny tsy faneken’ny Vondron’ny Kandidà 10 sy ny Hetsika Fotsy ary Vovonana tarihan’ny Filohan’ny Antenimierampirenena sy ny Fivondronan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara ny firosoana amin’izany. Manao izay faraheriny ny herim-pamoretana mandratra sy manempotra ary misambotra ny Malagasy tia Tanindrazana tsy manaiky ny frantsay mbola hitondra ity Firenena ity indray. Ny fidinana an-dàlambe sisa no hahafahana maneho izany, ka mitohy ny Hetsika Fotsy ary hita tamin’ny tranga ny sabotsy lasa teo, fa manomboka manohitra ny famoretana ny vahoaka. Na izany na tsy izany dia toloran’ny devoly sain-dratsy foana ny herim-pamoretana, ka mahita grenady entina manafika sy hiarovan-tena any amin’ny mpanao hetsika ary tamin’ny farany teo dia nampiseho tapaka vy narafitra toy ny tongotr’akoho izay lazaina fa bala-plesy hono. Tsy fantantra hoe taiza na avy aiza no nipoiran’ity tapaka vy ity, fa rehefa naseho ilay izy vao fantatra ny fisiany. Tsy mahagaga izany satria tsy sarotra ho an’izao fitondrana izao ny mamorona dosie hiampangana olona tiany ho samborina.

Enjehina ny Filohan’ny Antenimierampirenena noho ny nandraisany andraikitra nanangana ny Vovonana miaraka amin’ny FFKM, satria tsy nifanarahana teo anivon’ny antoko TGV izany, ka dia nesorina tsy ho mpikambana ao intsony izy. Misy olona jamba sy marenina ihany koa manenjika ny Profesora Ranjeva Raymond rehefa nanamarika, fa ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no fototr’izao krizy politika misy eto amin’ny Firenena izao. Manana tantara hono ity olobe sy manam-panahy eto amin’ny tanàna ity, ka asa raha ilay nanenjehana azy tamin’ny 2009 no tian-kambara amin’izany. Tsy vitan’izany fa tadiavin’izao fitondrana tsy ara-dalàna izao avokoa ny hevi-dratsy rehetra entina hanohanana ny firosoany amin’ny fifidianana, ka hikimpiany maso amin’izay voka-dratsy mety haterak’izany.

Namoaka matoan-dahatsoratra avokoa ireo gazety mpanohana ny fitondrana omaly, fa manohana tsy misy fepetra amin’ny firosoana amin’ny fifidianana hono ny Sadc. Tsy misy tsy mahalala anefa fa vao omaly ity Vondrona Iraiasam-pirenena Rezionaly ity, no nanomboka nifampidinika amin’ny ankolafin-kery rehetra misy. Na izany na tsy izany, izao fitondrana izao indrindra no manenjika ho miditra amin’ny raharahan-tokatranon’ny malagasy ny vondrona iraisam-pirenena rehefa manome toromarika momba ny làlana tokony hizoran’ny malagasy izy ireo. Araka izany dia sady efa afa-baraka no mbola manala baraka ny tenany tsy misy fiafarany ny zaza navelan’i Andry Nirina Rajoelina, ka kely sisa dia hiboridana, ka tsy hitodika aty Madagasikara intsony ny mason’izao tontolo izao, fa hijery any an-kafa mba tsy ho lazaina fa miaraka adala amin’ny mpivarotra fanahy.