EDITO 9 Novambra – Fitorian’ny vondron’ny mpisolovava – Tsy tokony ho afa-maina ireo mpanakorontana ny hetsika fotsy

Sôh’son

Tsy azo ekena raha mihantona tsy misy n’inona n’inona tsy hisy tohiny ny fitoriana nataon’ireo vondron’ny mpisolovava, mitatitra ny habibian’ireo zandary « barbares » tamin’ny vahoaka ny sabotsy 04 Novambra lasa teo teto an-drenivohitra. Aoka hisy fanapahan-kevitra raisina raha avelan’ny Fitsarana hangingina iny raharaha iny. Raharahana habibiana sy herisetra vitan’ny zandary tsy azo leferina velively ireny nitranga ireny. Na ny sonegaly mahazo baiko aza tsy manao ireny, hoy ny olom-pirenena nahita ny nitranga. Izany hoe, efa tena tsy hita intsony izay hamaritana sy iantsoana ireto zandary sy polisy ireto amin’izao fotoana izao, fa efa tena lasa lavitra noho izay noheverina sy fantatra ara-tantara amin’ny habibiana sy herisetra raha resaka mpitandro filaminana manoloana vahoaka midina milahatra an-dalambe. Tsy mbola nisy nahavita toy izao ataon’ireto ankehitriny izao ireo andiana zandary hatramin’izay nisiana hetsi-bahoaka izay, fa tena hafa mihitsy ireto amin’izao fotoana ireto.

Araka ny fanadihadiana sy famakafakana samihafa, dia fantatra ihany ny rangory fototry afo sy tena fositra mahatonga izao zava-mitranga mamoa-doza eto amin’ny firenena izao. Fantatra ny atidohan’izao habibiana eto amin’ny firenena izao, izay misy mpanao politika. Misy koa aza ny zava-nitranga nampihoron-koditra ny alatsinainy teo, tamin’ny fampiasana andian’olona “gros bras”, na milisy, teny amin’ny faritra Antanimena iny hifofo ny ain’ireo kandidà, raha ny voalaza, ary hanakorontana ny vahoaka manao hetsika fotsy. Ny nanaitra ny sain’ny maro ny nandre fa, vao tonga ireo dia niàla ny zandary. Misy antony lehibe ao ambadik’izany. Raharaha tsy avela handehandeha ho azy amin’izao izany rehetra. Fantatra moa ireo andian’olona ireo, ary misy aza koa voasambotra teny Mahamasina omaly alarobia atoandro, izay saika mbola hanakorontana ny hetsika fotsy ihany. Heverina fa efa hisy ny fanadihadiana sy antontan-taratasy raketina momba azy ireo ary hivoaka amin’ny fotoana ilàna azy ny raharaham-pitsarana izay tokony handeha amin’ny ara-dalàna tsy misy fitanilàna.

Mahabe fanantenana ny hetsika, amin’ny fanangonana ireo sarin’ireo zandary nihetraketraka nanao herisetra sy nandratra sy namono mihitsy aza ny Malagasy mpiray tanindrazana aminy ihany, sy ny fanaovana ny antontan-taratasy fitoriana azy ireo. Aoka hohafainganina ny asa amin’izany. Ny fandraketina an-tsary sy an-tantara ihany koa hipetraka ho tantaram-pirenena, mba ho fantatry ny taranaka fara aman-dimby hoe izao ny olona fositr’ity firenena ity ary fahavalom-pirenena ny taona 2023 sy izay ho tohiny, ary iza ny olom-pirenena sy vahoaka niaro ny firenena sy ny fiandrianam-pirenena noho ny fitiavan-tanindrazana marina.