Herimanana Razafimahefa – Kapoka mandrivorivo no nomeny ny governemanta

Andry Tsiavalona

Raha ny resaka nataon’i Andry Nirina Rajoelina tamin’ny gasy ny alahady lasa teo dia mbola mihevitra ny tenany ho filohan’ny Repoblika ihany izy matoa mampiasa ny fitenenana hoe: « hitafatafa amin’ny vahoaka malagasy ». Ambonin’izany dia « toy ny ganagana tsy ary nify izy nefa manakora saka banga », satria manakorontana ny fiharian’ny maro an’isa sy ny Firenena ary ny fanjakana mihitsy hono ireo olona sasantsasany vitsy an’isa kanefa raha vitsy an’isa ny mpiaradia amin’ireo kandidà 11 ireo dia nahoana i Andry Nirina Rajoelina no mihorohoro ka mihevitra fa ny fanapempoana, fampitahorana sy fampitandremana ary fanomezana moraly no hampihemotra ny Malagasy efa miaina ao anatin’ny loza nandritra ny taona maro dia misotro ny aleoko maty toy izay mbola hanome vahana vazaha. Tsy manaiky vazaha (Andry Nirina Rajoelina) ho fidina filoham-pirenena ireo kandidà ireo dia lazaina fa manavakavaka ny samy Malagasy ka tsy azo ekena, hono izany.

Tsy misy tsy mahalala fa gasy ray, gasy reny Andry Nirina Rajoelina ary teto Madagasikara, tao Antsirabe no nahalatsahan’ny tavoniny, saingy izy no ninia nanary ny zom-pirenena maha malagasy azy ka nangataka zom-pirenena frantsay. Porofon’ny fahalemen’ny IRMAR (Isika Rehetra Miaraka Adala amin-Rajoelina) dia taorian’ny fisamborana tsy amin’ny antony nataon’ny zandary ny zoma sy sabotsy lasa teo ka niheveran-dRajoelina fa hampihemotra ny vahoaka no nanao ireny vava tsy ambina ireny izy. Matahotra ihany koa Andry Nirina Rajoelina, fa hanohina ny antson’ny vondron’ny kandidà tokoa ny « casques bleus » dia ho avy eto ka hifanandrina amin’ny tafika malagasy kanefa ny vahoaka Malagasy no hifanandrina amin’ireto herim-pamoretana ireto raha mbola hamporisihana hanao ny tsy tokony hatao toy izao ihany.

Zo fototra voarakitra ao anaty Lalàmpanorenana ny maneho hevitra sy midina an-dàlambe, ka tsy manaiky ny sakantsakana tsy hanao izany ny olompirenena manohitra ny mbola firotsahan’ny vazaha frantsay hitantana ny Firenena. Misy fetra anefa hono izany fahalalahana izany hoy ity filohan’ny Repoblika teo aloha ity, ka rehefa manohintohina ny an’ny hafa dia tsy azony ekena. Ny zavatra niainana anefa dia afaka nivarotra sy nanao ny asa fivelomany ny rehetra nandritra ny andro maromaro nanaovan’ny Vondron’ny kandidà 11 hetsika izay. Na inona na inona lazain’i Vazaha entina mandemy ny saim-bahoaka dia tsy takona hafenina toy ny tafika andrefan-tanàna fa mitombo izay tsy izy ny vahoaka manohana ny fitakian’ny Vondron’ny Kandidà. Tahotra, fahalemena sy tsy fahatokisan-tena ny fanoloana lehiben’ny distrika ary fanerena mpiasam-panjakana (mpampianatra, sns,…), any amin’ny tany lavitra andriana any, hirotsaka mpikambana TGV raha tsy izany dia hafindra toerana kanefa tokony ho ao an-tsain’izay manao izany, fa tsy ho eo aminy mandrakizay ny fahefana eo am-pelatànany ka hisitri-belona aiza rehefa mitsimbadika ny tantara.

Nanokatra ny fampielezan-kevitra tany Antsiranana, ny talata teo, Andry Nirina Rajoelina, kanefa toa tsy izany no nitranga satria olona marobe no nanao akanjo lokomboasary no nameno kianja, nitotorebika sy nandihy ary tamin’ny andro alina ka toa tsy fandresen-dahatra no natao fa fety. Ny atoandron’io andro io ihany koa dia kapoka mandrivorivo no nahazo ny governemanta sy ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), satria novakian’ny Filohan’ny Antenimierandoholona Herimanana Razafimahefa bantsilana, fa tsy nandray ny fahefana izy satria norahonana ny ankohonany, indrindra ny zanany 15 taona. Sahy izy izao satria efa nalefany any ivelany ny zanany dia nateriny tao amin’ny HCC ny taratasy manambara izany toe-draharaha izany.

Tsy misy marina tsy hipoitra tokoa eo amin’ity fiainana mandalo ity, ka azo sokajiana ho mpampihorohoro ireo izay nanao ny fandrahonana ary ho sahy handray ny andraikitra mifanandrify amin’izany ny mpanao fanadihadiana momba ny heloka bevava sy ny Fitsarana. Hodian’i Andry Nirina Rajoelina tsy fantatra ny olona ampanaoviny asa maloto toy izany rehefa tonga ny fotoana tsy azony hanoharana izy, ka voatery hiverina any Lafrantsa firenena nosafidiany ho tompoina sy hampandrosoana. Tsy maintsy saintsainina sy lanjalanjaina tsara izay atao satria ny nenina tsy mipetraka atao « Mbay làlana, ary tsy mitsidika hatao « mandrosoa », fa aoriana vao mandatsa.