Ankatso, Ambolokandrina, Ambohipo, HCC – Tsy misy propagandy izany aloha, mitohy ny fitakiana

Isambilo

Nitohy teny amin’ny Boriboritany faharoa eto Antananarivo renivohitra omaly, ny hetsika fitakiana am-pilaminana nataon’ny vondron’ireo kandidà miisa 11: teny Ankatso, Ankatso II, Ambolokandrina ary Ambohipo. Nisongadina nandritra izany, fa tsy misy propagandy izany eo, raha tsy mivaly ireo fitakiana, noho izany mitohy hatrany ny hetsika fitakiana an-dalambe ao anaty filaminana hatrany. Ankoatra ireo kandida 11, tonga nanatevina ny hetsika koa ny mpanakanto malaza isany: Dama Mahaleo, sy i Bodo, teo koa ireo depioten’i Madagasikara maro miara-dia amin’ny vondron’ireo kandidà. Nasongadin’ireo nandray fitenenana teny an-toerana fa: ”izahay tokinareo, ary ianareo tokinay,” hoy izy ireo. Izao hetsika izao no atao dia ho fananganana Firenena mendrika ny Malagasy, ho fananganana firenena vanona, ho fampijoroana tany tan-dalàna, ho fanorenana Firenena miorina ambony lalampanorenana ary ho fampijoroana Firenena manandratra ny kolontsaintsika Malagasy.

Tao aorian’ny teny amin’ny Boriboritany faha-2, namaly ny antso nataon’ny HCC azy ireo, ireo kandidà, tsy tonga niatrika izany kosa ny kandidà Andry Rajoelina. Nitondra ny tenin’izy ireo tao aorian’ny fihaonana tamin’ireo mpitsara avo ny kandidà Paraina Auguste. Nambarany fa rehefa nampiantso ny HCC dia efa nahafapo azy ireo, nisy fifampihainoana. Nifampiresaka momba an’iny fanambaràna nataon’ny filohan’ny Antenimierandaholona iny izahay hoy izy, hoe: nisy faneriterena sy fandrahonana tao. Dia inona izany ny fanapahan-kevitra ho raisin’ny HCC? Tsy misy valiny izao dia izao akory. Naverinay hoy ny kandidà Paraina Auguste, fa izahay kandida 11 dia mitady zavatra milamina sy manara-dalàna. Tsy mampaninona anay ny kandida iray na efa manao propagandy aza, izahay tsy mifanenjika amin’izany, fa ny anay dia hoe efa nisy zavatra niova ve? Mitaky foana izahay ny fanarahan-dalàna, fifidianana tsy mitanila sady eken’ny rehetra.