EDITO 19 Septambra – Nifidianana an-dRajoelina tamin’ny 2018 – Hadisoana tamin’ny tantara ka tsy tokony hiverina intsony

Sôh’son

Tsy misy afa-tsy fatiantoka ho an’ny vahoaka malagasy ny fitondrana Rajoelina tao anaty 5 taona latsaka izay. Raha nanomboka tafarina ny toekarena sy ny fiharian’ny sarambabem-bahoaka ny taona 2018, nifarana izany niditra ny taona 2019 rehefa niakatra teo amin’ny fitondrana i Andry Rajoelina. Toe-javatra iray nisongadina tamin’izany ny olana nitranga teo amin’ny fanadinam-panjakana bakalôrea. Lasibatra tamin’izany ny zana-bahoaka vao niandoha ny fitondrany. Miteraka fahavoazana ho azy ireo sy ny ray aman-dreniny izany. Tsy nisy fihetsika nanonerana izany nataon’ny fitondrana.

Ny taona 2020, no tena nisongadina lehibe ny fatiantoky ny vahoaka vokatry tsy nanidian-dRajoelina ny sisintany sy ny habakabak’i Madagasikara, kanefa efa nihanaka naneran-tany ny valanaretina covid-19. Ankehitriny amin’arivony no namoy ny ainy vokatr’izany. Azo inoana fa nihena be io tarehimarika io raha natao ara-potoana ny nandraisana fepetra hentitra. Ankoatra ny namoizana ain’olona izay, dia potika ihany koa ny fiharian’ny sarambabem-bahoaka sy ny an’ny firenena ankapobeny. Nikorosy fahana ny toekarena ary niiba ny taha-pitomboana. Be ireo mpiasa no voaroaka na natao tsy an’asa ara-teknika. Zara raha nahita hohanina ireo lasibatra tamin’ny fahapotehan’ny asa fivelomany. Natrehiny izany rehetra izany ankoatra ny ady tamin’ny valanaretina. Fatiantoka lehibe hoan’ny vahoaka iny vanim-potoanan’ny krizy ara-pahasalamana iny, izay mbola nitohy ny taona 2021. Tsy nisy izay tsy niharan’izany ny sarambabem-bahoaka ankoatra ireo niara-dia na ireo mpisolelaka ny fitondrana. Mandraka ankehitriny, roa na telo taona aty aoriana, mbola maro no mibaby mafy ny vokatr’izany.

Ny fahatelo iray goavana misongadina ihany koa manohintohina tanteraka ny fiainam-bahoaka, dia ny fisian’ny delestazy tsy voavaha nandritry izay fotoana naha teo amin’ny fitondrana an’i Andry Rajoelina izay sy mandrak’izao. Nampanantenaina ery ny vahoaka fa hoe fotoana fohy dia ho voavahany izany raha tonga eo amin’ny fitondrana izy. Nofitahiny tsotra izao ny Malagasy, ary miharihary izany. Fatiantoka iray lavaka no niainana tao anatin’izany: voatohintohina ny asa fivelomana rehetra miankina amin’ny fampiasana herin’aratra. Mihena vokatr’izany ny asa sy ny famokarana, ary mazava loatra ny vola miditra. Be ireo fitaovana sy entam-barotra simba, sns… Hatramin’ny mpianatra mila jiro no niharan’izany ary misy fiantraikany amin’ny fianarana izany. Nikorontana ny fiainam-bahoaka. Tsy nitondra tombontsoa hoan’ny sarambabem-bahoaka ny fitondrana Rajoelina Andry. Ny fanafody nataony namahana ny olam-bahoaka dia toy ny parasetamôla itsaboana homamiadana. Efa lasa lavitra lavitra mantsy ilay fahavoazana sy indrindra ilay fahasahiranana sy fahantrana. Hadisoana eo amin’ny tantaram-pirenena (accident de l’histoire) ny nifidianana azy tamin’ny taona 2018, ka tsy tokony averina intsony.