EDITO 9 Septambra – Miala Rajoelina. J- 0 (Jour J) – Anio ny fotoana, veloma tsy ho tafaverina intsony

Sôh’son

Ny zava-misy eto amin’ny firenena izany izao, dia ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina dia vazaha frantsay, ny Ben’ny tanàna amin’ny renivohitr’i Madagasikara vazaha ihany koa. Ka dia inona izany fa miaina amin’ny faha-tany vazaha, faha-fitondrana vazaha ny firenena malagasy, ary efa ho 10 taona izao no nisian’izany. Zary miverina tanteraka araka izany ny endri-panjanahantany satria olon’ny frantsay no mitondra sy efa nitondra ny firenena tao anatin’ny dimy taona izay, ary miseho amin’ny endriny vaovao satria ilay vahoaka malagasy no nofitahana nifidy azy. Tsy ny vahoaka malagasy iray manontolo aloha no nifidy azy, fa ampahana vahoaka ihany. Natao avokoa ny fomba rehetra nampandaniana azy tamin’ny taona 2018. Nisy firaisana tsikombakomba ratsy tao anatin’izany tamin’izany, satria dia nangina sy ninia nikimpy hatramin’ny filohan’ny HCC tamin’izany fotoana izany tsy hamoaka ny tena marina ho fantatry ny vahoaka malagasy.

Manamafy izay maha-tany vazaha ny tany sy ny fanjakana izay ary ny endri-panjanahana vaovao ampiharina ankehitriny, dia ny fisian’ny « tafi-bahoaka » na tafi-panjakana, fa manahirana ihany ankehitriny no ilazana azy hoe mpitandro filaminana, manerana ny faritra maro eto an-drenivohitra. Mampahatsiahy ny tantara nitranga tamin’ny 28-29 Martsa 1947 ny zava-misy ankehitriny. Nambaran’ireo ray aman-dreny niaina tamin’izany fotoana izany, izay nanontaniana, fa feno na rakotra miaramila frantsay nanerana ny renivohitra, sy nivezivezy eran’ny tanàna, tsy nahafahana nihetsika. Inona no mahasamihafa izany amin’ny ankehitriny ? Mitovy tanteraka ny fomba atao, ary mbola ratsy lavitra kokoa aza ny amin’izao. Manaporofo izany ny fisakanana nataon’ireo tafi-panjakana ireo ny fikasana saika ataon’ireo avy amin’ny fanoherana na ireo kandidà hanao fanambarana miaraka teny Mandrimena sy teny amin’ny By-pass. Maneho mazava tsara ny zava-misy, fa fomba fiasan’ny mpanjanatany frantsay, no ampiharin’ny fitondrana ankehitriny. Iray manampy izany ihany koa ny fampizarazarana ny Malagasy, fa tsy misy finiavana fampiraisan-kina. Maneho izany ny tsy firahirahiana nandritry ny dimy taona naha teo amin’ny fitondrana azy, ireo gadra politika sy ny fitakiana nataon’izy ireo. Tsy norahirahiana ny fanonerana azy ireo ary nodiana tsy hita izy ireo. Niharihary ihany koa ny fanilihana ankolafin’olona na ampahana vahoaka izay tsy nomba sy nanohana azy. Porofo mitohoka amin’ny tendany ireny rehetra ireny. Politika vazaha mpanjanatany izany amin’ny fizarazarana hanjakana, ary ambaniana ny fampiraisankinan’ny vahoaka.

Ho hatraiza ity fomba fiasa faha- fitondrana vazaha frantsay izao? Misy fetrany ny zava-drehetra, indrindra ny fotoana itondrana firenena. Soa ihany fa tokony hametra-pialana anio: J- 0 na Jour J ny filoha Rajoelina satria ho kandidà amin’ny fifidianana ho avy, anio no tokony hanaovam-beloma azy sy ny fitondrany ary tsy tokony ho tafaverina intsony, satria tsy miraharaha ny vahoaka Malagasy sy ny olany. Ankoatra izany, ny Malagasy rahateo, izay tena tia ity tanindrazana iombonana ity sy saropiaro amin’ny fiandrianam-pirenena, dia tsy hanaiky velively ho olon’ny frantsay sy frantsay no mbola hitondra ny firenena. Efa tapitra ny fe-potoana hisian’ny endri-panjanahana vaovao ary efa rivotra mitsoka aty amin’ny kaontinanta afrikana izany amin’izao fotoana izao. Ny fanambarana tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina tamin’ity herinandro ity dia efa karazan’ny fanaovam-beloma nataony amin’ireo mpiara-dia aminy,…