Vokatry ny fifanosehana teo Mahamasina – Tsy nanadino ireo niharam-boina ny filoha Ravalomanana

Isambilo

Vokatry ny fifanosehana tao amin’ny fidirana ny kianja Barea Mahamasina ny zoma teo, ka nahafatesana olona 13 ary naharatrana olona hatramin’ny 80, tsy nanadino ireo niharam-boina ny filoha Marc Ravalomanana, filoha nasionalin’ny antoko Tiako i Madagasikara TIM.

Vao nandre ny loza izy sy ny mpiara-miasa aminy akaiky dia nidodododo nijery ireo niharam-boina sy ny fianakaviany tao amin’ny Hopitaly HJRA Ampefiloha ny sabotsy vao maraina lasa teo. Nampahery sy nitondra izay voatsirambin’ny tanana ho an’ny fianakavian’ireo niharam-boina izy nandritra izany, nankahery sy nitondra solon-dranomboankazo ary nividy fanafody ihany koa ho an’ireo marary mbola notsaboina tao.

Amin’ny maha ray aman-dreny azy eto amin’ny firenena, no nanaovan’ny filoha Marc Ravalomanana izao voin-kava-mahatratra izao. Nanotrona azy tamin’izany ny depiote voafidy tao amin’ny Boriboritany faha-6 avy amin’ny antoko TIM Todisoa Andriamampandry, sy ny mpikambana ao amin’ny birao politikan’ny antoko Julien Andriamorasata.