Fitondrana Rajoelina – Tsy manana ny lenta amin’ny fahaiza-mandamina

Sôh’son

Samy manana ny fahitany azy avokoa ny rehetra, nanoloana ny zava-nitranga nampalahelo ny zoma hariva, teny amin’ny vavahadin’ny Kianjan’i Mahamasina, nandritra ny fotoam-panokafana ny Lalaon’ny Nosy. Nilaza ny mpitandro filaminana fa hanao fanadihadiana ny antony nahatonga iny voina lehibe nitranga iny. Ao anaty filazany anefa dia misy mampieritreritra be ihany, fa zary toa manàla ny tena tomponandraikitra amin’izany. N’inona n’inona anefa fanazavana, tsy afa-miàla amin’izany velively ny mpikarakara momba ny fandaminana. Nilaza ny minisitry ny fanatanjahantena, fa efa ho herintaona sy efa-bolana no nanomanana ny fandraisana ny Lalao. Tsy marina anefa izany, fa raha izany tokoa, ampy tsara izany fotoana izany nifantohana tamin’ny lafiny fandaminana ny amin’ny fampidirana olona hiatrika izany. Fa eto dia mitombina hatrany ny nambara teto amin’ny gazety, fa natao alasafay ny fikarakarana, ary mbola hita izany amin’ireo fanamboaran-dalana etsy sy eroa eto an-drenivohitra tanterahina efa ato anatin’izao Lalaon’ny Nosy izao. Midika ho tsy fanaovana matotra ny asa ireny tranga ireny, hatramin’ny asa fanadiovana ny tanàna.

Ny fampidirana ny olona efa tokony iray andro mialoha, fara fahatarany no efa vita kalamina avokoa, ary fantatry ny olona na anisan’ny ho tafiditra izy na tsia. Mazava loatra, fa miainga amin’ny fakàna tapakila izany, na fomba hafa ahafantarana ny isan’ny mpijery. Tsy nisy anefa izany ary tsy natao, fa ny nahamaika ny fiantsoana ny vahoaka hanatrika izany sy ny hoe maimaimpoana ny fidirana. Mazava loatra fa tsy maintsy tonga ny olona. Ny fototry ny voina araka izany dia ny tsy manana ny fahaiza-mandamina sy ny tsy fahaiza-manao zavatra ny fitondrana Rajoelina. Efa mpitranga izany tato anatin’izao fitondrana Rajoelina izao. Misy hatrany ny lesoka sy olana rehefa mikarakara zavatra. Hita tsara izany, ohatra, tamin’ireo fotoana nisian’ny fihanaky ny valanaretina, ka nampikatso ny fihariana ary nizarana ireo vatsy samihafa hitsinjovana ny sosialim-bahoaka. Misy hatrany ireo sokajin’olona manana olana tao anatin’izany, na mitranga ny korontana toy ny teny Itaosy na toeran-kafa tamin’ireny fotoana ireny. Vao tsy ela ihany koa ny zava-nitranga tamin’ny fotoam-panadinana bakalôrea…

Ho an’ny mpamakafaka sasany, izao fitondrana Rajoelina izao, dia miezaka hatrany tsy mampanjaka ny tsy fahamarinana, ny tsy rariny sy tsy hitsiny eto amin’ity firenena ity. Koa raha mbola izany no mitohy tsy afaka olana ny fitondrana ary iharan’izany hatramin’ny vahoaka. Manan-kasina ity firenena malagasy ity, ka raha tsinontsinoavina izany na indrindra hosihosena dia tsy afaka ny olan’ny fitondrana ary ny manahirana ny saina hiara-hijaly aminy ilay vahoaka malagasy.