Lalaon’ny Nosy – Be ny fampanantenana tsy tanteraky ny fitondrana Rajoelina

Andry Tsiavalona

Afaka herinandro mahery kely dia tokony hanomboka ny Lalaon’ny Nosy ato anatin’ny Ranomasimbe Indiana. Tamin’ny herinandro lasa anefa dia nitaraina ireo Federasion’ny taranja amam-polony, fa tsy mandeha amin’ny laoniny ny fikarakarana eo amin’ny lafiny rehetra ary raha ny fantatra dia nisy ireo athleta efa niala an-daharana noho izany.

Ny minisitry ny Fanatanjahantena sy ny Tanora dia nilaza fa efa tomombana valo ambisivifolo isanjato (98%) ny fikarakarana ny fandraisana ity Lalaon’ny Nosy ity. Araka ny vaovao malaza sady matoan-dahatsoratry ny gazety mpomba ny fitondrana nivoaka omaly ny fahatongavan’ilay “Afo Olympika” any Antsiranana, avy eo tany Mahajanga. Heverina fa rariny sy hitsiny raha faly ny mponina nandray izany, satria tsy fahita firy toy ny afomanga. Efa nanambara ny filohan’ny Repoblika Rajoelina Andry Nirina ny hampitsaharana ny fanenjehana momba ity Lalaon’ny Nosy ity. Tsy midika velively ny fahatongavan’ny afo, fa efa tsy misy olana intsony eo amin’ny lafiny rehetra satria efa manana olana ihany koa ireo mpandraharaha eo amin’ny hotely fandraisam-bahiny izay noterena handray ny athleta vahiny kanefa tsy mazava loatra ny fifanarahan’izy ireo amin’ny mpitondra, na ny minisitera ny momba izany. Tsiahivina anefa fa betsaka ireo veliranon-dRajoelina Andry Nirina momba ity Lalaon’ny Nosy ity, ka anisan’izany ny dobo filomanosana olympika any Toliara, ny fanorenana tanàna vaovao toy ny “Village des Jeux” eny Ankorondrano naorina tamin’ny fotoanandrony.

Tsiahivina ihany koa fa tamin’ny Lalaon’ny Nosy ny taona 2007, natao teto Madagasikara, dia ny taranja tsirairay dia nanana “coach” ka minisitra no notendrena tamin’izany andraikitra izany. Avy niatrika ny lalao nifanandrinan’ny mpiasan’ny minisitera isan-tokony tany Toamasina ny ministra rehetra kanefa tsy hita beny ihany ireo ministra “coach” isa-taranja. Hitodika aty Madagasikara indray ny mason’izao tontolo izao amin’ity indray mitoraka ity, ka mba tsy hitsanga-menatra anie ny Malagasy satria raha ny fahitana azy dia kivikivy ny athleta na dia faly sy nitotorebika aza ny olontsotra nandray ny afo. Mbola hitety ny Renivohi-paritany hafa ny Afo Olympika mialohan’ny hahatongavany eto an-drenivohitra. Etsy an-kilany dia araraotin’ny filohan’ny Repoblika nanaovana fampielezan-kevitra ny tranga toy izao, satria dia akanjo miloko loranjy no nanaovany rehefa nandray ny afo izy tany Antsiranana. Tsy mahagaga loatra izany saria na ny rambon’ny varika eo amin’ny sary famantarana ny Lalaon’ny Nosy aza dia misy faritra miloko loranjy ary raha azo natao dia nasiana lokon-doranjy koa ny hira fanevan’ny Lalao. Tsy miafina ihany koa ny eo amin’ny serasera mamirapiratra sy manintona ny maso kanefa tsy ny mamirapiratra no tokony hanaitra, satria mandalo ihany izany. Mandeha ihany koa ny fizarana “Vatsy Tsinjo”, ary tsy toy ny tamin’ny lasa izay vary nilanja dimy kilao isam-pianakaviana no nozaraina fa iray gony dimy ambiroapaolo kilao. Tsy mazava anefa hoe inona no anton’ny fizarana satria tsy misy loza voajanahary nandalo, fa ny delestazy no mampikaikaika ny vahoaka ary tsy vao izao no nihinana ny tsy fihinany ny vahoaka Malagasy, fa efa ho dimy taona izao.

23 andro sisa tavela ho an-dRajoelina Andry Nirina, aorian’ny fifaranan’ny Lalaon’ny Nosy, ary mialohan’ny fametraham-pialany, raha mbola mikiry hirotsaka kandidà ho filoham-pirenena izy, koa azo heverina fa ny zavatra toy itony no hangalany ny fon’ny vahoaka ka hangataka azy hilatsaka na hiaro azy raha tsy eken’ny Malagasy intsony izany. Tsy tokony ho hadinoina anefa fa nanantena ny vahoakan’i Toliara fa any no hiadiana ny tompondaka amin’ny taranja lomano kanefa eto an-drenivohitra no hanaovana izany, ka ho diso fanantenana koa Rajoelina Andry Nirina raha hitavandra ny any amin’ny fifidianana. Tsy ny patsa indray mahandro no hanala ny fahasahiranan’ny vahoaka efa mihàtra aman-taolana, ary akoho tsy naneno toy izay efa lanin’ny kary. Izao fitondrana izao no nampahantra ny Malagasy ary tsy izao fitondrana izao no manana vina hampandroso ny Firenena sy hampivoatra ny fiainan’ny Malagasy, koa hoy ny Fahendrena Malagasy: ny tenain-doza leo ihany, fa ny iantsapazan-doza no tsy toha”.