Miala Rajoelina. J- 70 – Mpitondra tsy mahavaha olam-bahoaka indrindra tao anatin’ny 60 taona

Andry Tsiavalona

Ataon’izao fitondrana izao tokoa ny tsy mbola nataon’ny mpitondra nifandimby tao anatin’ny telo ambienimpolo taona. Mitodika aty Madagasikara ihany koa ny mason’izao tontolo izao, tsy noho ny fahombiazana na noho ny firoborobon’ny toekarena na noho ny fisondrotry ny faripiainan’ny vahoaka na noho fisitrahan’ny olompirenena fitsaboana ara-dalàna na noho ny fisian’ny asa mihoatry ny filàn’ny tanora, na noho ny fampianarana tena mifanandrify amin’ny filàn’ny ankizy, fa noho ny fiatrehan’ny Firenena krizy eo amin’ny sehatra rehetra noho ny tsy fananan’ny fitondrana Rajoelina Andry Nirina ny haavon’ny fahalalana sy ny tsy fahaiza-manao eo amin’ny sehatra rehetra ary ny tsy fahampian’ny traikefa ara-pitantanana sy fanaovana politika. Ity no fitondrana tsy mahavaha olam-bahoaka indrindra tato anatin’ny 60 taona, soa ihany fa efa 70 andro sisa ijanonany eo : J-70.

Tsy mitsahatra manara-maso ny fivoarana sy fanatanterahan-dRajoelina Andry Nirina ny IEM niova ho PEM sy nivadika ho Plan Marsall izay mirazotra tamin’ny velirano ny mponina manerana ny Nosy nandritra izay dimy taona izay. Nijery taty Madagasikara ihany koa izao tontolo izao, satria liana dia liana tamin’ity tetikasa ity sy ny nilazan-dRajoelina Andry Nirina, fa tsy hiantehitra amin’ireo mpamatsy vola mahazatra satria tsy hampandroso an’i Madagasikara ireo na amin’ny taona 2060 aza, kanefa dia iaraha-mahita ny fiainan-dRamalagasy ary tsy mitsahatra ny mandadilady mangata-bola sy mitrosa etsy sy eroa ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, satria milentika ao an-davaky ny fahantrana sy ny krizy maro lafy tanteraka ny Firenena. Ny gasy koa etsy an-kilany dia efa « mihinana ny tsy fihinany », araka ny fahitan-dRajoelina Andry Nirina ihany, kanefa tsy mahatsiaro tena ho tomponandraikitra amin’izany toe-draharaha izany izy, fa manilika ny tsy fahombiazany amin’ireo lazainy fa mpamadika izay « mitabataba sy mivovoa » eny rehetra eny, araka ny filazany ihany.

Roa herinandro izao dia mifantoka amin’ny toe-draharaha misy eto Madagasikara ny liam-baovao rehetra. Etsy an-daniny ny vaovao momba ny fifidianana filoham-pirenena izay mbola tsy mazava loatra ny fanatanterahana azy noho ny olana ara-bola sy ny tsy fahatokisan’ny mpanao politika ireo rafitra roa miandraikitra amin’izany dia ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana (CENI), sy ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC). Toa manamafy izany ny tsy mbola fahasahian’ny fahefana mpanatanteraka mamoaka Didim-panjakana manaika ny mpifidy amin’ny daty naroson’ny CENI, efabolana aty aoriana. Manamafy ny tsy fananan’ny mpitondra vola hoentina manatanteraka ny fifidianana ihany koa ny mbola fianteherana amin’ilay « basket fund) satria vao omaly ny omaly no niresaka momba io teny Iavoloha ireo mpamatsy vola mahazatra izay tena tsy marisika firy amin’ny fanohanana ara-bola izao fitondrana izao, noho ny tari-drano ankilahila nataony tamin’ny fanampiana rehetra azony, indrindra tamin’ny valanaretina Covid-19.

Mirazotra amin’ity resaka fifidianana ity, ka mampitodika ny mason’izao tontolo izao aty Madagasikara ihany koa ny fisitrahan-dRajoelina Andry Nirina ny zom-pirenena frantsay. Raha araka ny lalàna manankery eto Madagasikara anefa dia very ny zo maha olompirenena malagasy ny teratany iray raha mangataka ka mahazo zom-pirenena vahiny iray izy. Tsy azo iadian-kevitra izany fa fampiharana azy no tanterahina. Tsy mitombona ny fiarovan’ireo mpomba an-dRajoelina Andry Nirina izay milaza fa: mandova ny zo avy amin’ny raiben’ny raibeny nanana zom-pirenena frantsay Rajoelina Andry Nirina kanefa tsy misy toko na andin-dalàna mirakitra izany. Misy koa ny miteniteny foana ara-diplomatika no nahazoan-dRajoelina Andry Nirina ny zom-pirenena frantsay kanefa tsy ny fisian’ny fifandraisana ara-diplomatika dia ahazoana izany. Na izany na tsy izany dia samy miaiky izany ny rehetra na ny ao an-dapa na ny mpanohitra, fa mizaka ny zom-pirenena frantsay Rajoelina Andry Nirina, fa tsy sahy nilaza izany tamin’ny fomba ofisialy ho fantatry ny vahoaka Malagasy. Azo heverina ihany koa fa izany no nampisalasala azy tamin’ny firotsahana kandidà ho filoham-pirenena ny taona 2018, noho ny nahafantarany fa tsy mahazo milatsaka izy amin’ny maha vazaha azy, saingy azo antoka fa nisy nanome toky azy fa tsy ho fantatry ny Malagsy izany. Mety ho ny tao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana izany satria niaraha-nahita sy naheno ny nilazan’ny filohan’ity Andrimpanjakana ity tamin’izany, fa ny tahotra ny nisian’ny korontana teto amin’ny Firenena no namoahana ny Didy tsy azo ivalozana fa Rajoelina Andry Nirina no lany.

Mpamadika Tanindrazana sy mpamita-bahoaka araka izany Rajoelina Andry Nirina, ka tsy mendrika ny toerana misy azy ary tokony hanambara ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, fa tsy mahazo milatsaka kandidà izy amin’ny fifidianana ho avy izao ary tokony ho raràna tsy hampandry adrisa intsony. Na izany na tsy izany dia efa 70 andro sisa dia tsy maintsy hametra-pialana Rajoelina Andry Nirina araka ny efa voalaza teo ary azo inoana fa mahatsiaro tena ho main’ny afo natsangany avokoa ireo rehetra nandatsa-bato ho azy.