Fanokafana kongresy nasionaly – Voaporofo fa lehibe sy matanjaka ny antoko TIM

Isambilo

Natomboka omaly ao Tanjombato Antananarivo Atsimondrano ny kongresy nasionalin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), anio kosa ny ivo sy ny famaranana izany kongresy izany. Nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny sekretera jeneralin’ny antoko Rina Randriamasinoro, nambarany tamin’izany fa voaporofo izao, fa anisan’ny antoko lehibe sy matanjaka eto amin’ny firenena ny antoko TIM.

Momba ity kongresin’ny antoko TIM 2023 ity, hanomboka amin’ny 10 ora anio maraina eny Tanjombato. Nisy ny asam-baomiera natao omaly omaly zoma 30 jona 2023 teny amin’ny Magro Tanjombato, nanomanana ny hanatanterahana ny kongresin’ny antoko TIM 2023 ho tontosaina eny an-toerana ihany anio sabotsy 01 jolay 2023. Mazava loatra, toy ny mahazatra an’ity antoko ity rehefa manao zavatra, dia fotoambavaka no nanombohana ny fotoana vao niroso tamin’io asam-baomiera io ireo mpizaika rehetra ka ny “Collectif des élus” dia nanao ny asam-baomiera nandinihana ny hiatrehana an’io kongresy nasionaly hatao io. Misy ihany koa vaomiera iray natao handinihana ny Sata mifehy ny antoko sy ny praograman’asan’ny antoko miatrika fifidianana.

Ankoatr’izay, tena ihany koa ny fanofanana nomena ny rehetra momba ny resaka fifidianana. Marihana fa mpikambana TIM manodidina ny 20.000 isa any ho any manerana ny Faritra 23 eto amin’ny Nosy no vinavinaina handray anjara amin’ity kongresin’ny TIM 2023 ity ary efa samy tonga eto Iarivo avokoa izy rehetra, ka tsy maintsy mitondra “Badge” famantarana ireo hiatrika an’izany kongresy izany hanomboka amin’ny 10 ora eny amin’ny Magro Tanjombato amin’ity sabotsy 01 jolay 2023 ity.