EDITO 29 Jona – Miala Rajoelina. J- 72 – Mampahantra ny firenena sy ny vahoaka Malagasy

Sôh’son

Dia ireny niaraha-nahita ireny ny fahasahiana nisafo ny foloalindahy malagasy sy ny fiatrehana ny fankalazana ny fetim-pirenena malagasy. Asa mandeha mankaiza avy ny fisainana sy ny eritreritry ny tsirairay na ireo eo anivon’ny fitondrana, na ireo vata miaramila isan-tsokajiny eo anivon’ny foloalindahy malagasy, na ireo olom-pirenena manoloana ireny zava-misy ireny? Na maro aza no niteny mialoha, indrindra ireo ankolafy politika eo anivon’ny fanoherana, fa tsy tokony hanao izany ny filohan’ny Repoblika, dia mbola nataony izany, nisy rahateo ny mpamporisika minia mikimpy anoloan’ny rariny sy hitsiny.

Matimaty foana sy verivery foana ny ràn’ireo Malagasy tia marina ny tanindrazany nanomboka ny 1896, sy ny 1947. Nirediredy fotsiny ho an’ireo minia mikimpy ireo Malagasy nikiakiaka sy niantsoantso ny fahaleovantena tamin’ny 1929 izay nanalikan’ny Frantsay, nataony ho ambany noho ny alika mihitsy aza, teny Andohan’Analakely. Fa tsy mampaninona azy ireo, ny Filoha malagasy raha mizaka ny zom-pirenena frantsay ary vonona mihitsy aza nanary ny maha Malagasy matoa nangataka ny fizakana izany…

Dia rehefa mahita ny zava-misy amin’ny fomba fitantanana ny firenena sy manjo ny vahoaka malagasy raha te haneho hevitra ankalamanjana na amin’ny toerana samihafa. Fomba fitantanana tamin’ny andron’ny fanjanahantany no mitranga raha ny zava-misy, indraindray aza mihoatra an’izany, raha mitodika ny tamin’io 1929 io. Tamin’izany mantsy dia navela namakivaky an’Andohan’Analakely hatreny amin’ny araben’ny fahaleovantena ny Malagasy nanao izany hetsika izany. Ankehitriny anefa vao mikasa fotsiny hidina an-dalambe na eny Ambohijatovo, na eny amin’ny kianjan’ny 13 Mey, dia ny “mpitandro filaminana” no tonga aloha miaraka amin’ny fitaovam-piadiana maro samihafa. Tsy atao hahagaga raha izany no manjo ny vahoaka satria olon’ny Frantsay, na saribakoliny, no eo amin’ny fitondrana miaraka amin’ireo mpanohana sy mpisolelaka azy. Fihatsarambelatsihy fotsiny no atao amin’ny vahoaka amin’ny hoe “fitiavan-tanindrazana” eto, fa ny ao an-tsaina hiaro ny tombontsoa frantsay sy ny tombontsoan’ny tenany manokana.

Dia lalaovina fotsiny ilay vahoaka, ary handaingàna mihitsy aza. Tsy azo lavina izany n’inon’inona fanazavana atao, na mody manao resaka sy kabary mampandry adrisa ary manao tampi-maso ny vahoaka amin’ny fizaran-javatra etsy sy eroa aza. “ Efa mazava io, fa asakasak’izay manaiky andevozina”, hoy ilay lehilahy iray izay nanontanian’ny mpanao gazety. Soa fa efa 72 andro sisa: J-72 dia tokony hiala amin’ny fitondrana Rajoelina, satria mampahantra firenena sy mampahantara vahoaka. Raha ny firenena dia firenena anisan’ny mahantra indrindra eran-tany i Madagasikara amin’izao fotoana, noho ny tsy fahaiza-mitondra, sy tsy fahaiza-mitantan-dry Rajoelina sy ny forongony. Tena mahantra ihany koa ny ankamaroan’ny vahoaka ankehitriny, satria latsaka ambany tokony fahefa-mividiny, sy ny vola miditra aminy. Fahendrena ho an-dRajoelina arak’izany no miala, satria sady mampahantra firenena, no mampahantra ny vahoaka ao aminy.