Kongresy nasionalin’ny TIM ny sabotsy izao – Hafana ny eny Tanjombato, efa nisy niainga ny avy any amin’ny faritra

Isambilo

Ho tanterahana ny sabotsy 1 jolay izao eny amin’ny Magro Tanjombato ny kongresy nasionalin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM). Araka ny vaovao voaray omaly, efa nisy niainga ireo mpizaika avy any amin’ny faritra lavitra ny renivohitra toy ny avy any Sava sy ny avy any amin’ny faritra Androy sy Anôsy, noho ny haratsian-dalana sy noho ny fahalavirana izay. Efa vita ny toerana hanaovana izany kongresy izany, ary efa nanadio ny toerana ireo mpikatroka avy amin’ny antoko ao Antananarivo Atsimondrano. Hafana io kongresy io noho ny raharaha mafana eto amin’ny firenena amin’izao fotoana: teo ny fanesorana ireo mpiambina ny filoha Ravalomanana ny faran’ny herinandro teo, ary naverina taminy ihany izany avy eo.

Eo ny finiavan’ny filoha Rajoelina naka zom-pirenena Frantsay, ka maha-ratsy endrika azy amin’ny fiarovana ny tombontsoam-pirenena, indrindra ny fiarovana ny tombontsoan’ny vahoaka Malagasy. Ny nanapoahan’ny mpitandro filaminana lakrimôzena tamin’ny filoha Ravalomanana sy ny vahoaka tany Antsirabe. Ary indrindra ny ho fiatrehana ny fifidianana filohampirenena hatao amin’ity taona ity. Nanamafy ireo voalaza ireo ny filoha Marc Ravalomanana teny Alasora Avaradrano ny zoma teo, nandritra ny nanatrehany ny fizarana vary nataon’ny kaominina notarihan’ny ben’ny tanàna Jimmy Randriantsoa, tamin’ny olona miisa 3500 ao amin’ity kaominina ity, noho ny fankalazana ny faha-63 taona niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara.

Nirahaba ny vahoaka Malagasy rehetra sahady koa, tratra ny Asaramanitra tamin’io fotoana io i Dada. Mahakasika ny fizakan’ny filoha Rajoelina ny zom-pirenena Frantsay, niantso ny foloalindahy izy handray ny andraikiny ny amin’ny fanajana ny lalàna mahakasika izany, miantso ireo andrim-panjakana hafa voakasika koa izy, hiteny momba izao famadihana tanindrazana goavana ataon’ny filoha ankehitriny izao, amin’ny fizakany izany zom-pirenena Frantsay izany. Nanotrona ny filoha Ravalomanana teny Alasora ny faran’ny herinandro teo io, ny depioten’Avaradrano Gerry Randriambolaina sy ny depioten’Ambatondrazaka Fidèle Razarapiera.