Fifidianana amin’ny rafitra isan’ambaratongany – Mafy ny teritery ataon’ny mpitondra eo amin’ny baolina kitra

Ny Valosoa

Misy ny fanehoan-kevitra momba ny fifidianana amin’ny rafitra isan’ambaratongany eo amin’ny baolina kitra, araka ny vaovao voaray, mafy ny teritery ataon’ny mpitondra eo amin’izany sehatra izany:

« Vita ny andro fahadimy amin’ny fifanintsanana CAN 2023 izay ho tanterahana any Côte d’Ivoire amin’ny fiandohan’ny taona ho avy (13 janvier au 11 février 2024). Betsaka ny ekipam-pirenena izay mbola miandrandra fatratra ny ho isan’ny 24 hiatrika io ady famaranana io.

Ireo ekipa vaventy toa an’i Sénégal, Egypte, Maroc, Algérie, Afrique du sud… dia azo lazaina fa tsara toerana daholo. I Côte d’Ivoire mpampianatrano moa dia resin’ny Zambie tamin’ny isa mavestra 3-0. Raha mifandanja fatratra ny Groupe I izay misy ny ekipan’ny RDC, Gabon, Soudan ary Mauritanie dia azo lazaina fa efa tafita ary misongadina kosa i Guinée Equatoriale ao amin’ny groupe J ary efa miandrandra fatratra na dia firenena vitsy mponina aza.

Ny eto amintsika dia nisaraka ady sahala samy tsy nitoko isika sy i Ghana ary ny Barea dia tsy manana fanantenana hiatrika izany fotoan-dehibe izany intsony. Fantatra anefa ankehitriny fa dia miomana fatratra ny hanavao ny mpitantanana eny amin’ny rafitra isan’ambaratongany toy ny SECTIONS – LIGUES ary ny FEDERATION, ny mpitantana ankehitriny ary toy ny mahazatra dia miseho lany sahady ny antsojay sy ny teritery isan-karazany. Tsy misy mahita ny lalam-pifidianana ireo izay maniry hilatsaka ankoatr’ireo izay efa eo an-toerana ankehitriny ary mbola te-hifikitra toy ny eto Analamanga izay tarihin’i Tôta izay Ben’ny Tanàna eny Andoharanofotsy. Dia toy izany no mitranga hatraiza hatraiza ary tsy misy ny mpanara-maso na dia nisy COMMISSION ELECTORALE vangavanga napetraka aza. Ny mpifidy moa dia ireo teo aloha ihany, izany hoe ny Clubs manana ny atao hoe CERTFICAT DE CONFORMITE1 no mifidy ny mpitantana ny SECTION.

1 Ny CERTIFICAT DE CONFORMITE dia solontenan’ny MJS no manome azy, ka misy fepetra mazava toy ny hoe nandray tamin’ny fifananan’ny SECTION na ny LIGUE ny Club mangataka azy ahafahana mifidy.
2 Directions Régionales de la Jeunesse et des Sports.
3 Hihoatra ny 120 ny mpifidy.

Nanjary nidiran’ny politika, ka izay mpitantana clubs tsy ao amin’ny antoko manjaka amin’ny fitondrana ankehitriny dia tsy omen’ny DRJS izany fanamarinana izany. Lasa resabe eto amin’ny tany sy ny firenena ity zava-mitranga ao amin’ny FMF sy ny rantsa-mangaika ity, satria mametraka fanantenana betsaka ny mpitia baolina kitra taorian’ireny fahombiazana izay tiany mbola hitohy ireny.

Manahirana ny sain’ny mpanara-maso tokoa, satria ankoatry ny KOLIKOLY izay hana-toerana lehibe amin’io fifidianana io noho ny tsy fampiharana ny fehin-kevitra maro voaraikitra nandritra ny CONFERENCE NATIONALE nokarakarain’i Président Raoul ARIZAKA RABEKOTO teny Ivato ary isan’ny nanenjehana azy ihany koa. Nandritra izany CONFERENCE NATIONALE izany, izay nandraisan’ny mpisehatra rehetra amin’ny kitra anjara, no nanapahana fa AMPITOMBOINA 3 ny isan’ny MPIFIDY isan’ambaratonga hiarovana amin’ny fakam-panahy KOLIKOLY satria dia toy izao hitantsika ankehitriny izao no hiverina raha mbola ny fepetra ankehitriny no tazonina.

Miandry fatratra am-pitaintainana ny tohin’ny raharaha ny mpitia baolina kitra ary araky ny fantatra dia efa mitety faritra manaparitaka izay azo aparitaka rehetra ireo CANDIDATS izay mihevitra fa matanjaka, tsy dia misy hevitra fa ny vola no maha-rangahy toa an-dry Alfred RANDRIAMANAMPISOA (Député Elgeco plus – Neypatraiky RAKOTOMAMONJY Sénateur IRD sady Ministre HVM – Victorien ANDRIANONY Vice-Président de Raoul ARIZAKA RABEKOTO, fa efa saribakoly ankehitriny – Stanislas RAKOTOMALALA SG Proleague teo aloha, fa tohanan’i ARNO sy Tôta mafy tokoa….).

Mitazam-potsiny ny Tompon’andraikitra ary raha izao no mitohy dia tsy hisy fanantenana sy masoandro mihiratra mihintsy ho an’ny tanora malagasy, fa dia miandry ny Mpitondra fanjakana ho avy eo handray fepetra hentitra sisa.
Tantara mitohy…