SADY TSY GASY NO TSY TOMPONDAKA

Hay ianao tsy tompondaka rehefa tena nofotorana?
Hay ianao tsy gasy intsony fa vazaha fozaorana?
Ka nahoana no tsy miala fa mamikitra eo ihany,
Tsy aleo ve mifindra lasy sy misidina any ho any?

Hay dia faly hanora-tena toa voatango fotsiny eo,
Kanefa marobe ny gasy no efa tofoka sy leo.
Tsy aleo mangina tsy miteny sy mipetraka amin’izay,
Satria tsy tsara ny mibitaka amin- javatra tsy hay!

Tsy ny gasy efa mahia sy efa tena misanehaka
No hanaiky mbola hotaomina mba handihy na koa hitehaka
Aoka izay ny laingalainga izay mifono hevi-jaza,
Mahatsara anao ny miala re ry mpampandihy malaza!

Fa ianao tsy tompondaka sy tsy gasy intsony koa,
Ka dia tsy mendrika handia ny « taompiasana faharoa ».
Aoka izay ny fitapitaka, atsaharo ny hetraketraka.
‘Ndeha miverina ao Frantsa, ao ianao mipetrapetraka!

DADAN’i ZINA (16-06-23)