Toamasina – Tsy milamina ny tanàna, jiolahy 4 indray maty voatifitra

Niaina

Miseho lany saika isan’andro ny trangana tsy fandriampahalemana any Toamasina renivohitry ny faritra Atsinanana. Midika izany fa tsy milamina ny tanàna. Na izany na tsy izany, manao ny asany ny mpitandro filaminana any an-toerana. Omaly, jiolahy miisa 4 no lavo raha nifanehatra tamin’izy ireo.

Raha tsiahivina tamin’ity herinandro ity, nisy ny fanafihana mitam-basy tao Toamasina, very tamin’izany ny vola 18.700.000 ariary, nisy ihany koa fifampitifirana teo amin’ny mpitandro filaminana sy ny jiolahy ka nahafatesana jiolahy 4 nandritra izany.

Nisy fanafihana mitam-basy tao akaikin’ny Lyçée Technique Toamasina afak’omaly tamin’ny 3 ora sy sasany hariva. Mpiasa iray nanao “recouvrement”, na naka vola, no nosakanana lehilahy 4, ny roa teo aloha nitondra antsy, ary ny tao aoriana nitondra basy. Nodarohan’izy ireo vody basy ilay mpiasa ary lasany ny vola 18.700.000 ariary. Omaly maraina, nisy jiolahy 4 lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana tao amin’ny Cimétière, teny an-dalana hanafika izy ireo, no nifanehitra tamin’ny mpitandro filaminana, azo kosa ny basy nentin’izy ireo nanafika. Mety ho ireo jiolahy nanafika ilay mpiasa afak’omaly ihany, ireto maty ireto, ho fantatra amin’ny fanadihadiana ataon’ny tompon’andraikitra ihany izany.