Depiote miera amin’ny Praiministra – Efa mivadika ny tany aman-danitra amin’ny depiote sy ny mpanatanteraka

Isambilo

Tena efa toa mivadika ny tany aman-danitra raha ny zava-misy eto amintsika amin’izao fotoana, eo amin’ny fifandraisana eo amin’ny depiote sy ny mpanatanteraka eto amintsika. Nisy mantsy ny depiote, ny depioten’i Sambava faritra Sava Mamangy Norbert, na depiote Jack, nilaza fa niera tamin’ny Praiministra ny tenany, fa hitsena ny namany izay tonga tany amin’ny renivohitry ny faritr’i Sava.

Tonga tany an-toerana ny depiote Siteny, sy ireo depiote mpiara-dia aminy, niarahaba azy ireo tao amin’ny seranam-piaramanidin’i Sambava ny depiote Jack, araka ny voalazany nialohan’ny nanaovany izany dia niteny tamin’ny Praiministra Ntsay Christian izy. Fa angaha moa ny lehiben’ny governemanta no lehiben’ny depiote? Ny Praiministra sy ny governemanta aza, no tokony hila ranondranony amin’ny solombavambahoakan’i Madagasikara, satria tompon’andraikitra izy ireo manoloana ny eny Tsimbazaza.

Hisy izany amin’ny volana mey ho avy izao, mangataka ny fankatoavan’ireo mpanao lalàna ny mpanatanteraka, vao ho azo ampiharina ny fanitsiana ny lalànan’ny tetibolam-panjakana ohatra. Ny programan’ny governemanta dia tokony ho hankatoavin’ny Parlemanta, anisan’izany ny eny Tsimbazaza, fa tsy ny olom-boafidy no handohalika manoloana ny olom-boatendry, tena tsy nisy tato anatin’ny 60 taona koa izany, hoy ireo mpanaraka ny raharaham-pirenena.

Tena tsy hain’ny depiote Jack ny asany, hadinony fa mpanara-maso ny asan’ny executive, na ny mpanatanteraka izy ireo. Nanambara ity depiote ity fa tsy mbola niova hono izy, fa mbola manohana fitondrana ankehitriny. Voalazany fa niera tamin’ny Praiminisitra NTSAY Christian lehiben’ny Governemanta izay niaraka tonga tamin’i Siteny, teo amin’ny seranam-piaramanidina ny tenany amin’ny maha samy Solombavambahoaka, fa tsy misy fanohanany azy hono: “izaho dia mbola manohana sy miaraka amin’ny fitondrana mijoro ankehitriny ary tsy mbola niova no tsy hiova amin’izany, fa niera tamin’ny Praiminisitra tsara aho mialohan’ny handeha hitsena azy”‚ hoy ny fanazavana nataon’ity olom-boafidy ity manoloana ny fiparitahan’ny sary, ahitana azy miarahaba ny depiote Siteny. Ity farany dia nilaza fa anisan’ireo Solombavambahoaka nitsipaka ny « motion de censure », izay nataon’ireo Solombavambahoaka an-jatony mahery, tokony hanalana ny Praiministra.

Izany no fahaizana depiote eto amintsika, aiza no tsy ho lanilaniana fahatany fotsiny ny volavolan-dalàna, na ny tolo-dalàna mandalo ao amin’izy ireo.