EDITO 6 Aprily – Resaky ny SEG sy ny Filoha Rajoelina – Ilay jeneraly Serge Gellé mihitsy no toa fôpla

Sôh’son

Anisan’ny mahatohina ny tena mpino kristiana marina ny fahenoina, na ny fahitana olona milaza ny tenany ho kristiana, nefa ny fihetsika sy ny zavatra ataony miàla amin’ny sori-dalana voafaritr’izany. Ratsy no aterak’izany, satria sady manohintohina ny olona sasany izany, no mety hampihemotra ihany koa ny hafa tsy hiroso resy lahatra amin’ny finoana kristiana. Anaty herinandro masina rahateo isika ary indrindra alakamisy masina izay andro lehibe ho an’ny kristiana izany, ka fotoana mety izao ilazana izany fihetsik’olona mamohehitra izany. Tsy entinkentim-poana ny anarana maha kristiana, ary tsy isaloran’izay te hisalotra rehetra izao kanefa karazany manombo fanindroany an’i Kristy izany toetra ratsy izany, na ihany koa karazany ambodia mitafy hodi-janak’ondry. Miàla tsiny amin’ny teny mitsara ihany, fa efa tsy fotoana intsony izao hifamitahana na hamitaham-bahoaka. Ilay vahoaka malagasy efa fadiranovana mafy ary mena-mitaha amin’ny firenen-kafa ilay Madagasikara, noho ny fampahantrana lalina nandritry ny fotoana maharitra.

Miha-mibaribary hatrany ny fampanjakana ny tsy rariny sy tsy hitsiny eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao. Ny fitondrana mihitsy no tena manao izany, ary voamarina ny tenin’ny profesora James Ratsima fony fahavelony izay nanitrikitrika ny amin’izany. Niaraha-naheno sy nahalala tsara ny fanambarana miaro hafetsen-dratsy izay vakiana fotsiny araka ny fitenenana ankehitriny. Mody nampidirina ihany koa ny antoko manohana ny fitondrana, mba tsy hibaribary sy mora aelin’ny akoho tokan’anaka ny nambara. Miharihary, fa manao kajikajy politika mafy ny olon’ny fitondrana ankehitriny iarovan-tseza, ary fanta-bahoaka ihany koa ny tahotra misy aminy hiatrika izao fifidianana izao. Efa be ny olom-pirenena sy antoko nilaza izany. Ny resaka eny anivon’ny fiaraha-monina, hatrany anaty fiara fitateram-bahoaka ihany koa mirona amin’izany. Ka inona intsony no mbola afenimpenina?

Andrasana fatratra indray ny ho vokatry ny fanadihadiana momba ilay rakipeo namoaka tsiambaratelon’ny fitondrana iny, resaka teo amin’ny filoha Rajoelina, sy ny sekreteram-panjakana amin’ny zandarimariam-pirenena (SEG) Serge Gellé izay nolazaina fa afaka herinandro eo raha ela dia ho fantatra sy ambaran’ny fitondrana ny vokatry ny fanadihadiana. Raha halalinina ity raharaha ity dia ny SEG mihitsy no fôpla araka ny fitenin-jatovo, inona no nakany, na ny nanaovany “enregistrement” ny resany tamin’ny filoha, naninona koa no mbola naparitany tao amin’ny vondrona Whatsapp ny zandary izany, fa tsy baiko no tonga dia nomeny ireo zandariny rehefa avy niresaka tamin’ny filoha izy. Midika fa tsy mahatana tsiambaratelo ity manamboninahitra ambony jeneraly ity, ka ho hita eo ny fanapahan-kevitry ny filoha sy ny fitondrana momba azy. Ity raharaha ity angamba no ho voalohany amin’ny fanadihadiana natao, mba hisy tohiny sy fiafaràny. Ho hita eo…