HIAMPY INDRAY NY JENERALY

Hisy maromaro indray no hakarina ho jeneraly,
Fa izay ilay tetikady fanambazana bebaoty?
Amin’izay mba mihiratriratra ary koa mba falifaly,
Fa matetika no efa mila handatsaka an-kilaoty?

Ireo hatrany no vatsiana, ireo hatrany no tohanana,
Fa ny tetika dia tsotra: mihevitra hanamafy toerana?
Ireo no tena ianteherana ao anaty fifidianana,
Raha vao mihetsika mahery ny ao anaty fanoherana?

F’efa nisy ve mpitondra sahy nilaza, nanambara
Hoe nahery noho ilay izy nanan-jeneraly maro?
Toa tsy izany velively raha zohina ny tantara:
Ny vahoaka raha mitroatra, tsy hay tohaina ka fantaro!

…Hisy maromaro indray ireo hakarina girady,
F’efa izany, tena izany no hany sisa bala farany .
Toy ny marika mitory f’efa tena resy an’ady
Ity ilay tsy nahay nitondra, ka hanipika ny anarany!

DADAN’i ZINA (29-03-23)