4 Aprily – Taratasin’ny mpamaky

Saika tsy hiteny ihany aho kanefa aleoko mamoaka ny ato anatiko izay maharary ahy. Resaka La Gazette de la Grande île no tiako tenenina.

Mpiasan’ny La Gazette aho nanomboka tamin’ny Novembre 2015 taorian’ny nahafatesan-dRamika, nisolo azy aho amin’ny maha-mpanao sary ahy. Nofeheziko arak’izay fefy tokony tsy hihoaran’ny mpanao sary an-gazety sy ny mpanao gazety ny asako, na dia mamely olona aza aho anatin’ny sariitatra ataoko dia fantatro, fa asan-gazety no ataoko ary mampita vaovao no asako.

Gazety manao kritika ny La Gazette ary maro no tsy faly amin’ny zavatra voasoratra ao. Tato ho ato, hatramin’ny nisamborana ny tompony Lola Rasoamaharo dia nifamahofaho ny fanehoan-kevitra teto, misy ny faly, misy ny tezitra, misy ny malahelo. Nolazaina fa tsy misy resaka pôlitika ny raharaha Lola Rasoamaharo fa adin’olon-tsotra, androany hariva anefa dia noraofin’ny zandary tao ny entana fanaovan-gazety rehetra. Gaga aho sady malahelo no mitaintaina satria na inona na inona dia namelona ahy ny La Gazette de la Grande île ary anisan’ny nampivoatra ny asako amin’ny maha-mpanao sariitatra an-gazety ahy.

Adin’ny samy henjana hoy ny maro, fa ny tsy hain’izy ireo dia tsy Lola Rasoamaharo ihany no potehiny fa olon-tsotra mpiasa manana fianakaviana velomina daholo. Dia eto izany izao izahay mpiasa dia manontany tena hoe hanatevin-daharana ny tsy an’asa ve sanatria. Asan’izay milaza azy ho mitady vahaolana ho an’ny firenena anefa mamotika izay efa mijoro. Tsaroako, fanakatonana haino aman-jery no nandrodanana fanjakana tamin’izany, ankehitriny ny fomba teo ihany no miverina. Tsy fombako ny miteny be loatra fa androany mafy ny mahazo ahy. Niezaka nanaiky ihany aho hoe misy izany Liberté d’expression izany fa raha izao zava-misy izao dia … An’ny rehetra no mandinika.

Rindra Razafindrabe
Mpanao gazety