Begidro Belo Tsiribihina – Nitombo ny nanao vaksinin’ny covid19 noho ny fandalovan’ny mpampandry tany

Rajepa

Niha-maro ireo nanao vaksinin’ny covid19, noho ny fandalovan’ireo mpampandry tany, any amin’ny kaominina Begidro any amin’ny distrikan’i Belo Tsiribihina.

Raha ny lafiny fahasalamana ao amin’ny distrikan’i Belo sur Tsiribihina no resahina dia manana tobim-pahasalamana na CSB ( Centre de Santé de Base) 18 izay CSB2 sy CSB1, ka ny roa amin’ireo CSB no tsy manana fitehirizana vaksiny, izay tsara ho marihina fa CSB vao nosokafana ireo, dia ny ao Masoarivo sy Belinta, ka manokana fotoana isa-kerinandro hanaovana vaksiny ho an’ireo CSB roa ireo, ny CSB akaiky amin’ireo roa ireo hoy Dr Rajaonarivony Roger Médecin inspecteur SDSP Belo sur Tsiribihina.

Eo amin’ny fanaovana vaksiny dia somary manahirana ny famatsianna vaksiny ny CSB2 Begidro, satria dia miala any amin’ny DPEV (Direction du Programme Elargie de Vaccination) Antananarivo dia tonga ao amin’ny renivohitry ny distrika ao Belo/Tsiribihina, ka roa andro eny ambony rano vao tonga any Begidro raha milamina ny tany, satria isan’ny olana amin’ny fitaterana ny vaksiny ny tsy fandriampahalemana izay misy; eo koa ny lafiny toetr’andro satria tsy misy afa-tsy amin’ny alalan’ny reniranon’iy Tsiribihina no hahafahana mifamoivoy, izay tsy azo ivezivezena rehefa ratsy ny toetr’andro. Ka raha tokony ho isaky ny 2 volana ny famatsiana vaksiny ny CSB2 ao Begidro dia lasa atao isam-bolana izany ary ampitomboina ny stock, mba hisorohana ny mety tsy ho fisian’ny vaksiny tampoka nohon’ny olana voalaza etsy aloha.

Raha ny fitehirizana ny vaksiny indray dia azo antoka tanteraka satria misy ireo fitaovana avy amin’ny UNICEF itaterana sy hitehirizana ny vaksiny misy refrigerateur izay mandeha amin’ny tanjaky ny masoandro, ao koa ny porte vaksiny izay manaja tsara ny chaine de froid, ka tsy hatahorana ny mety hahasimba ny vaksiny; raha ny fazotoan’ny olona manao vaksiny indray dia somary marisarisa ireo mponina amin’ny fanaovana vaksiny satria dia mbola mahazo vahana ny tsaho amin’ny réaction immunitaire na dia efa miezaka manao ny fanentanana ny mpitsabo sy ireo AC (agent communautaire).

Mba ho entina handresena izany hoy Andriamatoa Patriote Kenny Fleuris Randriamanampitsoa, izay mpitsabo mpanampy chef CSB2 Begidro; napetraka ny rafitra Comite communal de la santé (CCDS) izay tarihan’ny ben’ny Tanàna ary hivondronan’ireo mpiasan’ny fahasalamana, sy ireo filohan’ny fokontany ka nahitana vokatra tsara; teo koa ny fandalovan’ireo mpitandro filaminana avy amin’ny zandary izay notarihan’ny Colonel Faneva nanao operation, satria niara-dalana ny fampandrian-tany sy ny hetsika fanentanana ny fanaovana vaksiny ny COVID19. Natahotra koa ireo mponina sao hisava karatra vaksiny ireo mpanao operation, ka tafakatra enim-polo isan-jaton’ny mponina teo an-tampon-tanànan’i Begidro no vita vaksiny raha 30 isan-jato kosa izany manerana ny kaominina raha ny bilan farany hoy hatrany Andriamatoa Patriote Kenny Fleuris Randriamanampitsoa izay mpitsabo mpanampy, chef CSB2 Begidro.