Tsy mazava intsony ny raharaha, leo sy tofoka ny olom-pirenena

Beharo

Tsy mazava intsony ny raharaha, efa leo, tofoka ny olom-pirenena. Tsy vitsy ireo olom-pirenena sendra ny mpanao gazety tato ho ato no nilaza fa: tsy mazava intsony izy ity, izany hoe: tsy teny fanoherana na tsikera ranofotsiny, fa tantaram-piainana hita maso ary misy porofo mazava avokoa. Ny resaka governemanta sy ireo ministera ao anatiny moa no efa tena tsy zakan’ny olona intsony, ka mahatonga ireo teny mavesatra etsy sy eroa ataon’ny mpiara-monina sy ny tontolo manodidina azy mihitsy.

Ny ministeran’ny finansy, fitantanam-bola, dia efa ela no voaenjika tamin’izany noho ireo tsy rariny ataony mikasika ny karama sy tambin-karama, na izay vola kely anjarany, ka miteraka grevy sy fitokonana samihafa manerana ny firenena. Io resaka vola io anefa no fototra entina mikarakara ny lafim-piainana isan-karazany, izay efa manimba tokoa ny varotra eto an-toerana ohatra, ka miitatra tonga aty amin’ny resaka asa sy ny maro hafa ary manimba tanteraka ny fiompiana sy ny fambolena mihitsy, manimba ny fidiram-bola sy ny toe-karena tanteraka, porofon’izany ny resaka vary sy lavanila….., miampy ny asa maizina eo amin’ny lafiny fitrandrahana.

Serasera

Ny ministeran’ny serasera sy kolontsaina dia efa lasibatra tanteraka manoloana ireo mpanakanto marobe ao amin’ ny Omda, nefa mbola manafintohina ny mpanao gazety maro ihany koa, noho izy tsy mahay miaro ireo namany, mitazam-potsiny ireo namana efa any am-ponja sy ireo vao nampidirina koa aza, toy ny nanjo an-dry Lola Rasoamaharo.

Ny fampianarana ambony moa dia ao anatin’ny fahasarotana tanteraka, satria mbola nahazo valiny mazava momba ny raharaha eny Vontovorona ohatra, izay efa manafosafo ny fampianarana ambony momba ny fitsaboana ihany koa raha ny akom-baovao voaray tamin’ny tompon’andraikitra ambony iray avy amin’ny Anjerimanontolo tsy miankina iray: Ramatoa Haingo Paradis, nanambara fa tsy mazava mihitsy ny lalam-bola ao amin’ny ministeran’ny fahasalamana ao momba ireo karama, tambin-karama, ireo trano naorina tsy ara-pitaovana hanaovana fankalazana sy fitokanana amin’ny tsy rariny nefa hono manara-penitra. Manampy trotraka izany ireo dokotera sy mpitsabo mpanampy na mpampiteraka nefa dia verezin-jo tanteraka, ka vao mitaky izay anjarany dia mahazo teny fandrahonana indray toy ny nahazo mpitsabo iray araka ny nambaran’ity manam-pahaizana tamin’ny fahitalavitra rahavavy iray vao tsy ela.

Mifandrombaka fahefana

Hita sy tsapa hoy ny mpampianatra fahiny teny Ankatso iray, fa misy lesoka avokoa ireo ministera, miainga eo amin’ireo minisitra sy ny sekreterany ary mipaka amin’ireo tale sy mpanolontsaina ary tompon’andraikitra isan-karazany, nefa raha vao misy teny atsipy na tsikera mahasoa atao, dia lazaina fa: MPANOHITRA foana, ka ny aty amin’ny fiarovana sy ny filaminana no atao biby fampitahorana, nefa dia manimba ny lafiny fiaraha-monina tanteraka tokoa, ka na misy amin’izao fotoana olon’ny tafika asondrotra kilasy na grady ambony toy ireo jeneraly vao notendrena, dia toa tsy manaitra ny maro intsony, na koa ireo sivily tsara toerana izay notendrena, toa mamikitra seza fotsiny ihany koa sisa no ataon’ireny; izy samy izy no mifandrombaka fahefana ao, “Mandrora mitsilany”, izay voatendry miaro seza mafy, ireo izay te-hiditra, mitady toerana dia manozongozona mafy ihany koa.