Filoha Ravalomanana mivady – Niara-nankalaza ny faha-90 taonan’i Henri Ratsimbazafy

Niaina

Nanamarika ny tsingerin-taona faha-90 nahaterahany omaly 29 martsa ny mpanakanto Henri Ratsimbazafy. Niara-nankalaza izany taminy ny filoha Marc Ravalomanana mivady.

Fotoam-pivavahana ho fisaorana an’Andriamanitra no nanamarihana izany omaly, noho io tsingerin-taonan’i Henri Ratsimbazafy io, tao amin’ny FJKM Ankadifotsy, natrehan’ny filoha Marc Ravalomanana mivady.

Ankoatra ny vavaka, nisy ihany koa ny rindran-kira nataon’i Dear Henri, niaraka tamin’ireo antoko mpihiran’ny fiangonana niderana ilay nahary noho ny fahasoavana nomeny ity mpanakanto ity, ka nahatratrarany izao tsingerin-taona faha-90 izao. Nirary azy tsy harofy sy hatanjaka hatrany, ka ho tratran’ny mbola hitsinjgeringerina ny filoha Marc Ravalomanana mivady tamin’io fotoana io.

Ao anatin’izao fankalazana ny faha-90 taonan’i Henri Ratsimbazafy izao, hisy ny seho sehatra lehibe hataony ny alahady 02 aprily ho avy izao tolakandro ao amin’ny CC Esca.