CEG Begidro Belo Tsiribihina – Manofa trano ny ray aman-dreny ampianarana ny mpianatra

Rajepa

Ravan’ny cyclone Freddy ny sabotsy 4 martsa ny sekoly, izay trano bararata, ka tsy mianatra ny mpianatra ao amin’ny CEG Begidro Ankiroroky ao amin’ny Cisco Belo sur Tsiribihina, ka tsy nianatra ny mpianatra. Efa nisy ny tatitra nalefa amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny toy ny chef Cisco, ny solombavambahoaka, sns… saingy hatreto tsy misy ny fandraisana andraikitra, na dia izany aza dia efa niezaka nitady vahaolana hatrany ny talen-tsekoly sy ny Ray aman-dreny, ka tapaka nandidritra ny fivoriana izay niarahan’ireo mpampianatra sy ny Ray aman-drenin’ny mpianatra, fa hitady trano hofaina aloha hanohizana ny fampianarana satria mijaly ireo mpianatra, indrindra fa ireo hanao fanadinam-panjakana.

Eo an-toerana koa tsy misy tranompokonolona, ka rehefa nisy ny fitadiavana trano dia nahita izy ireo izay efitra roa ka 35.000 Ariary ny iray, izany hoe 70.000 Ariary isam-bolana, no aloan’ny Ray aman-drenin’ny mpianatra. Raha ny CEG Begidro dia tsy nisy afa tsy trano hazo efitra roa izay ravan’ny Freddy izay, 121 no isan’ny mpianatra ao, izay mizara kilasy telo, ny dablio raha 26 dia 21 sisa no azo ampiasaina, fa ny dimy potika nandritra ny firodanan’ny trano, tsy ampy ny dablio fa ezahina alamina sy miaina ny zava-misy hoy ny talen-tsekoly, Andriamatoa Zafianaka.

Manao antso avo amin’ny mpitondra fanjakana ireo mpampianatra sy Ray aman-drenin’ny mpianatra, mba hijerena ny sekolin’izy ireo, satria iny trano izay ezaka nataon’ny Ray aman-dreny dia efa narodan’ny Rivodoza iny, ny fiveloman’ireo ray aman-dreny anefa dia fambolena sy fiompiana, ny vokatra mbola tsy miakatra sady maro koa no simban’ny ranobe farany teo, efa nampiasaina ilay trano nofaina nanomboka ny alatsinainy 27 martsa teo ary mbola hivory ireo Ray aman-dreny handamina ny fandoavana ny hofan-trano.

Raha resaka fanabeazana ao amin’ny kaominina Begidro Ankiroroky no resahina dia tsy misy fotodrafitr’asa azo jerena, fa dia ny Epp ihany no mba sekoly trano vato, izay niorina tamin’ny fotoana nitondran’ny filoha Marc Ravalomanana, fiarahamiasa niarahana tamin’ny FID, izay mbola mijoro tsara amin’izao, saingy ny dabilio no tsy misy, fa efa simba avokoa, ary noho ny fitomboan’ny mpianatra ihany koa dia tsy maharaka intsony ny efitrano.