Analanjirofo – Mitohy ny fanofanana ataon’ny Coach TIM, Rasomotra

Isambilo

Mitohy hatrany ny formation na ny fanofanana ataon’ny Coach Regional ny antoko TIM amin’ny faritra Analanjirofo, ny depiote teo aloha Rasomotra sy ny President ny jeune Tim Mananara Avaratra Berchon Lahy, ho an’ireo mpitarika ity antoko ity tany an-toerana.

Tao amin’ny fokontany Soanierana Kaominina Maroantsetra, no nanaovana izany afak’omaly maraina. Tao anatin’izany ny fanomezana toromarika amin’ny zavatra tokony hatao: mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana ho avy hatao eto amintsika amin’ity taona ity. Tsy adinon’izy ireo koa ny fanentanana ny mponina hiditra ao anaty lisi-pifidianana.