EDITO 16 Marsa – Fitondrana Rajoelina – Fositra manimba firenena ny didy jadona

Sôh’son

Fanta-poko fanta-pirenena izao, fa ny fitondrana Rajoelina dia mampiditra tanteraka ny firenena ao anaty zotran’ny firenena mpanao didiko fehy lehibe, na didy jadona mihitsy. Miharihary ary manaporofo izany ny fisian’ny toe-javatra nitranga tamin’ny andron’ny 8 Martsa lasa teo iny, tamin’ny nandraràna ny vehivavy teny amin’ny Magro Behoririka. Ny mpibaiko aloha dia efa noraisin’ny maro ho tsy manana fiheverana manàja ny soatoavina intsony, fa ny sezany no hany ao an-dohany ny fiarovana azy. Raha mba misy kely ihany ny fiheverana kely ny vehivavy sy ny fanajàna azy, dia hafahafa kokoa ny fepetra noraisina. Fa mety amin’ny sain’izy ireo ny amin’ny famelana ny hafa hanao hetsika, fa misy kosa raràna. Fositra lehibe sy aretina hikiky ny fandrosoan’ity firenena ity izany.

Mbola nanorisory ny maro ihany koa ny fepetra noraisina momba ny Oniversite teny Vontovorona, sy ny mpianatra ao aminy nataon’ny prezidan’ny Oniversiten’Antananarivo, sy ny fiovan’izany fepetra izany ora maromaro kely taorian’izay. Manahirana ny saina ihany ny nandre ny fepetra noraisiny indrindra tamin’ny fikendrena hanafay ireo mpianatra nitarika ny hetsika. Tena tsy mendrika velively ilay fomba fiheverana raha jerena amin’ny lafiny maha tomponandraikitra, amin’ny toeram-pampianarana ambony toy ireny. Mba sokajin’olona hafahafa kokoa no tokony hanana izany, fa tsy toy ny tenany velively. Tsy atao hahagaga raha naneho fihetsika avy hatrany nanohitra izany ireo mpikambana teo anivon’ny Seces. Soa fa nisy azy ireo niaro ny voninahitry ny toeram-pampianarana ambony eto Madagasikara. Io ilay toerana, ilay seza hatrany no hany ao an-dohany ny fiarovana azy, ka tsy voalanjalanja intsony izay rariny sy hitsiny.

Fositra iray lehibe manimba ity firenena ity ary izao tsy mampandroso azy izao, fa mihemotra mihitsy aza, ny fisian’ny tomponandraikitra samihafa manana fisainana tsy mahalala afa-tsy ny mandray sy mampihàtra baiko fotsiny, fa tsy manana saina intsony na kely aza hieritreritra ny tsy rariny sy tsy hitsiny, noho ny fiarovana seza na toerana sy tombontsoany. Ny mpanome baiko rahateo efa ao anatin’izany. Ny olana lehibe, ny vahoaka no mizaka ny voka-dratsiny, dia izao iharan’ny fahoriana rehetra izao sy fadiranovana raha samy vahoaka.