DISTIM Andramasina – Efa mivonona hiatrika ny fifidianana ho avy amin’ity taona ity

Niaina

Tsy diso anjara tamin’ny fifampiarahabana tratra ny Asaramanitry ny taombaovao koa, ny avy amin’ny antoko TIM any amin’ny distrikan’Andramasina faritra Analamanga. Ny sabotsy teo no nanatanterahana izany fifampiarahabana izany, izay notarihan’ny DISTIM any an-toerana, ary natrehan’ireo mpitarika ny antoko avy amin’ireo kaominina mandrafitra ity distrika ity. Niatrika ny fotoana ny birao politika, nahitana ny sekretera jeneraly Rina Randriamasinoro, sy ny mpandrindra nasionaly Jean Claude Rakotonirina, ny depiote voafidy tany an-toerana: Bina.

Natao nandritra izany ny fifampiarahaba tratry ny taona, sy fanomezana toromarika mikasika ny fanomanana ny fifidianana ho avy amin’ity taona ity eto amintsika, ho an’ireo mpitarika ny COMTIM ao anatin’ny kaominina miisa 14 mandrafitra ny distrikan’ Andramasina. Ankoatra izany, mitohy ny fanentanana ataon’ny DISTIM Andramasina ny olona hisoratra anarana amin’ny lisi-pifidianana, ho an’ny olona feno taona tokony hanatanteraka izany.