Ben’ny tanàna TGV – Takian’ny vahoakan’i Bemanevika Ambanja ny fanalana azy

L.W

Mitokona ny vahoaka any amin’ny kaominina Bemanevika Haut Sambirano, any amin’ny distrikan’Ambanja faritra Diana amin’izao fotoana. Mangataka izy ireo, mba hiala amin’ny toerany ny ben’ny tanàna, Andriamatoa Willy, izay ben’ny tanàna voafidy tamin’ny antoko TGV, antokon’ny fitondrana, noho ny filazan’ireo mpanao fihetsiketsehana, amin’ny kolikoly, sy jadona ary fanamparam-pahefana ataon’ity olom-boafidy ity, araka ny nambaran’ny mponina any an-toerana.

Voalazan’ireo mponina, fa misy ny fanagadrana olona tsy misy antony ataony. Tezitra ny mponina, ka tonga tamin’izao fitokonana izao. Nofantsihan’izy ireo ny biraon’ny kaominina. Noho izany, mikatona tsy afaka miasa ao ny ben’ny tanàna sy ireo mpiasa, raha tsy miala ity Andriamatoa Willy ity hoy ireo mpanao fihetsiketsehana.

Ankilan’izany momba ity raharaha ity, efa nanambara ingahy ben’ny tanàna hoy ireo vahoaka, fa tsy hisy olona hahavita hanala azy amin’ny toerany hono, satria izy dia nambarany fa tanana ankavanan’ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena any Antsiranana, Jocelyne Maxime. Izany no vao mainka mahatezitra ireo mponina, ka mitaky ny fanesorana tanteraka ity olona voalohany mitantana ny kaominina Bemanevika ity.