Antananarivo – Potika, tsy vitan’ny fitondrana Rajoelina sy Vazahabe

Isambilo

Potika Antananarivo, izay no sary hitan’ny rehetra amin’izao fotoana. Mahita izany avokoa ny mponin’ny renivohitr’I Madagasikara, ireo sendra mandalo eto, eny hatramin’ny any ivelany rehetra any, satria miparitaka ny sary, noho ny fandrosoan’ny teknolojia vaovaon’ny fifandraisana amin’izao fotoana: haingana dia miparitaka manerana izao tontolo izao, ny sary, ny feo, ny horonantsary mahakasika izay fahapotehan’ny renivohitr’I Madagasikara izay. Hitan’ny rehetra amin’ny alalan’ny fako mivangongo tsy voaala, ny lalana maro eto an-drenivohitra, toy tsy lalana amina renivohitra firenena, fa lalana any amin’ny kaominina ambanivohitra, na lalana any amin’ny fokontany ambanivohitra mihitsy aza.

Nambara fa handroso Antananarivo raha mitovy loko, na avy amin’ny antoko politika iray ny filohampirenena sy ny ben’ny tanàna. Izany no zava-misy amin’izao fotoana. Ao amin’ny IRK ny ben’ny tanàna Vazahabe, izany hoe miara-dia amin’ny fitondrana, miara-dia amin’ny filoha Andry Rajoelina, nefa dia izao iaraha-mahita izao, fa potika ilay “tanànan’ny Arivolahy tsy maty indray andro”. Tsy misy tsy mikaikaika amin’izay faharatsian’ny lalana izay ny rehetra raha tsy hilaza afa-tsy izay, nefa izao dia hoe: hatao ny teleferika. Efa misy manamboamboatra eo Anosy manoloana ny Hotel Carlton, ho vita ve izany? ny ho avy no hamaly izay. Ny zava-misy, tsy mandeha amin’izay laoniny ny fanapahan-kevitra raisin’ny ao amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely, ilay ben’ny tanàna Vazahabe Naina Andriantsitohaina dia manadrohadro sy manao teny an’avona sisa ataony amin’ny tambazotran-tserasera, toy ny twitter.

Natao ny antsoina hoe:”bus class”, zara raha misy mitaingina izany ankehitriny. Ny teleferika raha ho vita dia mbola ho ambonin’ny bus class ny saran-dalana, mety tsy ho vita koa izany ary tsy ho zakan’ny fahefa-mividin’ny be sy ny maro raha ho vita aza, ka dia halaza tsy hihinanana toy ny vilian-tsahona, toy ny bus class ihany amin’izay izany teleferika, teleferika izany. Ny dia mianoatra dia fanaon’izao fitondrana izao, nakarina ny saran’ny hetra tokony hefain’ny mponina, nisedra fanohanana tamin’ny maro izany dia nihemotra ny mpitondra ao amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely. Ny fako tsy afaka, nefa tamin’ny fitondrana teo aloha, tamin’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana, tsy mitovy loko ny filohampirenena sy ny mpitondra ny tanàna, fa afaka ihany ny fako, na nisy olana aza tsindraindray. Tondra-drano ny faritra maro eto Antananarivo raha vao mirotsaka somary bebe ny orana, ny anton’izany dia satria tsy misy fikarakarana ireo tatatra, tsy fantatra hoe: nalefa aiza ny vola tokony hanaovana izany.

Tamin’ny fitondran’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana teo aloha, nandritra ny maintany dia efa samy nanadio ny tatatra sy nanokatra ireo lakandrano ireo delege 6 teto Antananarivo sy ny ekipany, ankehitriny, tsy fantatra hoe: misy delege ve eto sa tsia, misy ben’ny tanàna ve eto sa tsia? Ankehitriny, milaza fa hifanampy Rajoelina sy Vazahabe, tsy hita izay vokatr’izany hatramin’izao, fa dia potika ny renivohitra, mpandrava tokoa ireto fa tsy mpanangana.