Zanakolombelona – Politika avokoa ny manodidina ny fiainany

Andry Tsiavalona

Na inona na inona atao eo amin’ny fiainan’ny zanakolombelona dia « politika » avokoa. Ny famaritana sy ny hevitra fototr’ity ity voambolana ity no tsy fantatry ireo tsy niezaka na ninia tsy namantatra azy. Tetikady entina mampandroso tanàna no hevitra fototra, ka izay rehetra heverina fa hampandroso sy hampivoatra na eo anivon’ny ankohonana, ny fiarahamonina, ny faritra na ny firenena dia hambara fa politika avokoa. Heverina fa izay no nahatonga ny frantsay nanampy azy io ho « politique politicienne » izay tetikady entina maka fahefana na manapotika izay tsy mitovy hevitra amin’ny politisiana na vondrona politika manana fahefana.

Amin’ny ankapobeny, matoa misy fivakisana eo amin’ny ankohonana dia noho ny tsy fitoviam-pijerin’ireo eo anivony. Matoa misy antokom-pivavahana maro miforona etsy sy eroa dia tsy mitovy ny fototra heverina fa iorenan’ny finoana (dogme). Toy izany koa eo anivon’ny firenena, raha ny eto amin’ity Nosy ity no asian-teny dia roanjato mahery ny antoko politika mijoro. Mazava ho azy araka izany, fa samy manana ny heviny momba ny demokrasia (fanjakam-bahoaka), izay heverina fa fototra iorenan’ny fanjakana repoblikana. Araka izany dia ny vahoaka no “mampindrana fahefana” izay heveriny fa mpanao politika mety manana “politikam-pampandrosoana, hitsinjo sy hampisitraka azy izay rehetra hampiaina azy araka ny tokony ho izy eo amin’ny lafiny rehetra, na ara-batana, na ara-tsaina, na ara-panahy. Samy manana ny ideolojiany ihany koa ireo antoko politika ireo, arakaraky ny toerana misy ny mpikambana ao aminy eo amin’ny fiarahamonina: saranga, kilasy sosialy, fahaizana amam-pahalalana, sns… Amin’ny ankapobeny anefa dia misafotofoto sy toa nofinofy ihany fa tsy mifototra amin’ny toe-draharaha sy toe-javatra iainan’ny mponina eo amin’ny firenena ny ideolojian’ny antoko iray.

Anisan’ny hevitra lasitra (idéologie) eto Madagasikara ary voarakitra ao anaty Lalàmpanorenana ny hoe “Fanjakana laika”, izay midika fa tsy afaka mitsabaka amin’ny fitantanana ny Firenena ny Fiangonana ary tsy afaka mitsabaka amin’ny fitantanana ny Fiangonana ny Fanjakana. Misafotofoto anefa ny fampiharana ity andininy ity, satria rehefa misy savoritaka ka tsy afaka mifanaraka intsony ny mpino ao amin’ny fiangonana iray dia afaka manakatona izany ny fanjakana. Manampy fiangonana amin’ny endriny maro samy hafa ihany koa ny mpitondra eto amin’ny firenena ary afaka manao izany koa ny mpino tsirairay manampahefana. Ny Fiangonana sy ny mpino tsirairay koa dia manana zo haneho hevitra hoentina mampandroso sy manitsy ny mibiloka ary manatsara amim-pahamarinana ny fitantanana ny Firenena.

Niteraka resabe tsy eo anivon’ny tambazotran-tserasera ihany, fa eo anivon’ny fitondrana sy ny sarababem-bahoaka, mandrak’ity ny androany, ilay Toriteny nataona Mpitandrina FJKM teny amin’ny “Coliseum” Antsonjombe, ny Alahady lasa teo. Araka ny voalaza etsy ambony dia samy manana ny fomba fandraisany iny Toriteny iny ny tsirairay. Tsy vao tamin’iny fotoana iny anefa no naneho hevitra momba ny toe-draharaha sy toe-javamisy eto amin’ny Firenena ny Mpitondra Fivavahana. Efa nanao izany ny Vondron’ny Eveka, ny FFKM ary tsy fanenjehana olona manokana izany fa fampahafantarana ny zava-marina tsy azo lavina, sy tsy azo odian-tsy hita iainan’ny vahoaka sivifolo isan-jato mahery. Tsy mbola nisy mpino iray nihaino toriteny tany am-piangonana ka nahatsiaro ho voatsindrona dia heverina fa tsy niandry ilay nitondra ny Tenin’Andriamanitra izy rehefa nirava ka nilaza fa tafintohina. Amin’ny toe-javatra toy izany dia mandinitena ary mibebaka amin’Andriamanitra ary manitsy izay tsy mety natao.

Ny manahirana eto amin’ity Firenena mahantra olon-kendry sy mpandala ny fahamarinana ity dia mailaka tsy misy toy izany ny politisiana sy ny mpitondra ary ny mpomba azy, hamaly bantsilana sy hanenjika izay mba milaza ny marina sy manome tolokevitra hoentina manitsy ny làlan-kizorana mifandraika amin’izany. Hoy ny fahendrena malagasy: “ny hendry mody voky, fa ny adala manesika ihany”.