EDITO 17 Novambra – Hetran-trano midangana eto Antananarivo – Toa famporisihana ny olona tsy hanefa ny adidiny

Helisoa

Ny fandoavan-ketra dia adidin’ny olom-pirenena amin’ny firenena, amin’ny tanàna onenany. Ny zava-misy amin’izao fotoana eto amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) anefa, toa mamporisika ny mponina tsy hanefa ny adidiny amin’izay fandoavan-ketra izay ny taratasin-ketra navoakan’ny etsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely.

Minainaina ny mponina eto Antananarivo Renivohitra ankehitriny mikasika ny fampiakarana mihoa-pampana ny hetran-trano alain’ny mpitantana ny tanànan’Antanarivo tarihan’ny ben’ny tanàna Vazahabe Naina Andriantsitohaina. Hita amin’ny tambazotran-tserasera fesiboky, fa mampiseho ho hitan’ny rehetra ny vola alaina aminy ny vahoaka izay tena mampiteny ny moana tokoa, satria efa ho avo zato heny. Manoloana izany dia misy ireo miray feo, fa tsy handoa io hetra io, satria tsy misy fahafahana hanefa izany. Ny sakafo sy ny fiainana andavanandro aza efa mila tsy ho hita ankehitriny hoy izy ireo.

Ankoatra izay, tsy misy akory ny tamberin’andraikitra azon’ny mponina. Ny lalana ratsy, ny fako misavovona, maimbo ny tanàna, ny tsena mikorontana, sns… Ny velirano nampanantenaina tsy hita, nefa efa hifarana ihany ny fotoampiasan’ny ben’ny tanàna.

Izao vao mahatsiaro ny fitantanana nataon’ny ben’ny tanàna Neny Lalao Ravalomanana tamin’ny fotoan’androny ireo olona tafaresaka tamin’ny gazety sy eny amin’ny tambazotran-tserasera. Tamin’izany fotoana, nisy ny varavarana misokatra nokarakarain’ny tanànan’Antananarivo mikasika ny fandoavan-ketra. Liana ny olona, ka tonga maro teny amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely, satria nazavaina ho azon’izy ireo ny antony andoavana hetra. Nataon’ny kaominina araka ny fahefa-mividin’ny mponina ny vola nalaina tamin’izy ireo, ka tonga nanatitra izany tsy misy fimenomenomana ireo mponina. Vokany, na tsy nahazo fanampiana tamin’ny fitondràna foibe aza ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana dia afaka nampandeha ny asa, satria niray feo ny mpitondra sy ny nentina. Nitsinjo ny vahoaka i Neny tamin’izany, fa ity ben’ny tanàna Vazahabe Naina Andriatsitohaina ity dia manao didin’ny be sandry fotsiny.

Manampatra ny tsy fananan’ny kaominina izay iadidany vola, ka manaotao foana amin’ny fitadiavam-bolan’ny tanàna. Lasa ihany ny saina hoe: sao manao izay fomba tsy andoavan’ny olona io hetra io aza ny ben’ny tanàna Vazahabe?