Fandrarana fanotofana tany – Nampihena ny vola miditra amin’ny kaominina Ampitatafika

Razakambelo Franck

Niteraka fahakiviana ho an’ny Ben’ny tanànan’Ampitatafika Antananarivo Atsimondrano, Rado Ramparaoelina ilay didim-pitondrana mandrara ny fanotofana tany amin’ny faritra manodidina an’Antananarivo, satria nisakana ny asa fampandrosoana eny ifotony ny fanapahan-kevitra. Nanazava ity olom-boafidy ity, fa nampihemotra an’ireo mpandraharaha saika hampiasa vola amin’ny alalan’ny fananganana orinasa eny anivon’ny Kaominina ny fandrarana fanotofana tany nataon’ny fitondram-panjakana, satria manome asa ny tanora no sady mampidi-bola ho an’ny kitapom-bolan’ny Kaominina ny fanaovana ”Remblais” voasoritra ao anatin’ny “Plan d’urbanisme detaillée”.

Nanamafy ny ben’ny tanàna Ramparaoelina Rado, fa ny fanotofana tany no nahafahan’ny mpamboly vary eny amin’ny faritra Andrefan’Ampitatafika mifehy ny fampidiran-drano ary tsy ahafahan’ny mpianatra sy ny mpampianatra eny amin’ny ambaratonga ambony mampiseho ny fahaizany eo amin’ny fampiharana ny “Plan d’urbanisme” ity fanapahan-kevitra ity. Nilaza n izy fa tsy tokony ho sakanan’ny fitondram-panjakana intsony ny fanotofana tany mifanaraka amin’ny “Plan d’urbanisme detaillée”, no sady voafaritry ny “Levée topographique”, mba hahafahana manohy ny asa fampandrosoana maro samihafa ary tokony ho nanatanteraka fakan-kevitra amin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Kaominina ny Ministera mpiahy alohan’ny nandraisana fepetra tahaka izao, satria miteraka fahasahiranana lalina ho an’ireo toerana voakasiky ny fandrarana fanotofana tany ny fanapahan-kevitra tahaka izao.

Nanao antso avo amin’ny fitondram-panjakana ity Ben’ny tanàna, voafidy tamin’ny anaran’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) ity, mba hamerina handinika an’ity didim-pitondrana momba ny fanotofana tany ity ho an’ny taona 2023 ary tsy maintsy hiroso amin’io fanapahan-kevitra io ihany ny fitondram-panjakana rehefa hametraka an’ilay tetikasa “Nouvelle ville”.

Tsiahivina fa efa nahitan’ny olom-pirenena tombontsoa daholo ny asa fanotofana tany tetsy amin’ny “La City Ivandry”, ”Tana Water front” Ankorondrano, ny fiantsonana Taxi-brousse eny amin’ny “By-pass”, ka tokony haverina amin’ny laoniny ity didim-pitondrana mandrara ny fanotofana tany ity hoy ihany izy.